Tsy nitsahatra niasa ny teo anivon’ny BNGRC namonjy sy nanampy ireo niharam-boina tao anatin’ny fe-potoana niverenan’ ny rivodoza Freddy teto amin’ny Nosy raha ny tatitra navoakan’ izy ireo, omaly. Manentana ny mponina mipetraka manamorona ny ranomasina hatrany izy ireo mba ho mailo sy hitandrina hatrany tsy hisian’ny loza. Miantso ny […]
Mois : mars 2023
Filohan’ny oniversiten’Antananarivo: hiverina anatin’ny herinandro ny fampianarana eny Vontovorona
Nomen’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, profesora Assoumacou Beatrice Elia, baiko ny filohan’ny oniveriten’Antananarivo, profesora Ravelomanana Mamy, hanaraka ny dingana rehetra hamerenana ny fampianarana sy ny fanokafana indray ny sekoly ambony politeknika ao anatin’ ny herinandro. Nandritra ny fanazavana tao anatin’ny fandaharana isan-kerinandro “Tsy ho tompon-trano mihono” […]
Nesorina ny mpianatra, nakatona ny ESPA Vontovorona : mpianatra efatra hiatrika filankevim-pifehezana ny 20 marsa
Nesorina tamin’ny efitrano fandraisana ny mpianatra teny Vontovorona, omaly, ary nakatona ny sekoly ambony, araka ny toromariky ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo. Namonjy fianakaviana avokoa ireo akaiky fa ireo avy any amin’ny faritra sisa no afaka mijanona. Nanatrika ny fanesorana ny mpiasan’ny oniversite sy ny mpitandro filaminana. Mpianatra efatra eny amin’ny […]
Akany Avoko: nitafa tamin’i Tayc ny ankizy
Nanatanteraka fitsidihana ny akany Avoko Faravohitra, ny zoma 10 marsa 2023, i Tayc. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Tafatafa sy resadresaka no nameno ny fihaonana teo amin’ny ankizy tezaina ao amin’ity akany ity sy ity vahiny mpanakanto vahiny. “Tombony lehibe ho anay ny fitsidihana […]
Fiofanana andiany faha-III: « Mifamatotra ny valiha sy ny fanahy »
Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-III ny fiofanana karakarain’ny vondrona Valihan’Ikaky. Lohahevitra amin’ izany ny « Fifamatoran’ny valiha sy ny fanahy ». Nomarihin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity vondrona ity fa « adidy lehibe ho anay ny manome ny fototra sy fahalalana mafy orina ho an’ ny taranaka aty aoriana mba hahatonga azy ireo […]




