Tsara fidirana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Fifaninanana izay tanterahina any Djibouti, nanomboka omaly 9 marsa ary hifarana ny 12 marsa izao. Nandresy avy hatrany ny ekipan’i Kenya ny solontena malagasy, teo amin’ny senior lehilahy, omaly, teo amin’ny […]
Mois : mars 2023
Minisitry ny Fitsarana: “Tsy ampy ny isan’ny mpitsara”
“Tsy ampy ny isan’ny mpitsara…”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, taorian’ny fotoam-pitsarana nanombohana ny taom-pitsarana, taona 2023, teny Anosy, omaly. Miasa mafy ny mpitsara amin’izay tsy fahampiana isa izay. Mbola tohizana ny ezaka amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Eo ny raharaha ady tany, ny ady heloka, ny famoahana […]
Arema : “Misahotakotaka ny politika”
“Misy ny fanontaniana hoe: misy fifidianana ve amin’ity taona ity? Betsaka ny manontany hoe: ahoana ihany ny fifidianana, handeha ve, ampy ve ny vola hanaovan azy… ? Misy miteny hoe hisy ny tetezamita, na izao na izatsy. Misahotakotaka ny politika”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, teny Faravohitra, afakomaly, […]
Takaitran’ny rivodoza any Menabe : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny MMM
«Tsy haiko ny tsy hitsidika ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza «Freddy» Nitondra ny kely azo nentina izahay, ho fanamaivanana ny fahasahiranantsika mpiray taninjanaka amintsika, amin’izao voin-kava mahatratra izao», hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, nitsidika ny tany Morondava, afakomaly. Etsy andaniny, namory ireo mpikambana eo anivon’ny […]
Loza voajanahary : hanampy ny Vondrona Eoropeanina
Fanamafisana ny fiaraha-miasa. Nandray ny kaomisera eoropeanina, momba ny fiahiana ny maha olona sy ny fiatrehana krizy, i Janez Lenarčič ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany. Voaresaka ny momba ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Eo koa ny fiatrehana izany. Anisan’izany […]




