Nitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. “Ilaina ary heverina fa mbola tsy tara ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana.” Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Fifidianana sy fitantanan-draharaham-panjakana ary […]
Mois : mars 2023
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina : olona valo maty, fito hafa naratra mafy
Sempotry ny rano, voatsindrin’ny entana, ratra mafy. Toy izany ny fomba nahafaty ireo mpandeha valo tao anatin’ilay taksiborosy tra-doza afakomaly, teny amin’ny lalam-pirenena faha 10. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny tetezana Mahariry, fokontany Manakaralahy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy mampitohy an’i […]
Tsy vahaolana ny korontana
Samy varimbariana tamin’ny fetim-behivavy avokoa, omaly. Hadinodino fa hay misy otrikafo misoko mangina, mitarika any amin’ny fifanjevoan’ny samy Malagasy eto. Miseho lany ny fifampihantsiana. Tsy ny mpanao politika ihany, fa hatramin’ny mpianatra sy ny mpanabe. Zara raha nisy mpireska ny mpitandro filaminana naratran’ny mpanao fitokonana. Manginy fotsiny ny fitetezam-paritra ataon’ny […]
Talen-tsekoly novonoina : notsatohana antsy izy mianaka
Roa andro tsy nivoaka ny trano. Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay ramatoa talen’ny Epp ao Antanimena, kaominina Manakambahiny andrefana sy ny zanany vavikely. Tranga mampalahelo. Hita faty omaly, tao an-tokantrano ilay renim-pianakaviana talen’ny EPP ao amin’ny fokontany Antanimena, kaominina Manakambahiny andrefana, distrikan’ Ambatondrazaka. Maty niankohoka teo akaikiny ihany […]
Ilanivato : jiolahy tratra nanapitsoka varavaran’olona
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Anosipatrana, afakomaly ny jiolahy iray voarohirohy ho namaky trano. Naharay antso avy amin’ny olona mipetraka eo Anosipatrana ny polisy ao Ilanivato milaza fa misy lehilahy iray miditra an-keriny amina trano iray eny an-toerana. Nidina avy hatrany teny an-toerana […]




