Mois : mars 2023

Antsiraraky, Belo : zandary iray ahina ho nitifitra nahafaty mpianaka

Nisehoana tranga mampiahiahy tany Belo, ny herinandro lasa teo, ka mampitaraina ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Niseho tao amin’ny tanànan’ Antsiraraky izany. Voalaza fa mpianaka, 65 taona sy 35 taona no ahina ho notifirina zandary iray, tao amin’ny borigadin’Antsoha, any amin’ny Poste Avancé an’ny zandary. Nangatahan’io zandary io […]

Baomiavotse Raharinirina: hanohy ny fanompoana ny taninjanaka

Amin’ny maha olom-pirenena miavotra sy mivoy ha­trany ny fivoarana lovain-jafy, nandefa hafatra tamin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Rtoa Baomia­votse Vahinala Raharinirina. Izy moa dia efa minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Ary farany teo izy dia talen’ny Fiadi­dian’ ny Repoblika. Nametra-pia­lana tamin’ny fomba mihaja tamin’io toerana io […]

Mbola lavitry ny afo…ny kitay 

Naresaka ery ny tanàna omaly ! Nahoraka ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 8 marsa. Nifanindran-dalana tamin’izany, nitohy sy mbola feno olona, niteraka fitohanana ny tsenan’Ala­robia eny Andravoahangy. Ny omaly tsy miova ny fiainana andavanandro. Tsy mahagaga rahateo izany, maro ny vehivavy nafarana avy any amin’ny faritra, nentina niara-nifety tetsy amin’ ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Mila mandray andraikitra sy tohanana ny vehivavy”

Anisan’ny nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny lahateniny, tetsy Maha­masisna, omaly tamin’ny fanamarihana manetriketrika ny 8 marsa, ny fanomezana hasina sy andraikitra ny vehivavy. Nisy ny toromarika nomeny tamin’izany. Nambaran’ny filoha ta­min’izany fa miharitra ny mafy ny vehivavy. Manasitrana rehefa marary, nitaiza sy nanabe, nitantana… Nisaorany manokana izy ireo amin’ny anaran’ny […]

Niteraka savorovoro… Kamiaobe nihitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato

Niteraka fitohanana nandritra ny ora maro ny fisiana kamiaobe iray tafahitsoka teo amin’ny tetezan’Anosizato Andrefana, omaly maraina. Tratran’ny olana teknika ilay fiarabe ka nitsivalana teo ambony tetezana. Tsy afa-nandeha ny fiara hafa na ny mizotra hihazo ny lalana mankany Ampitatafika na ireo handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Nifanjevo tao anaty tetezana […]