“Mihoatra amin’ny anjara asany sy fahefany ny HCDDED. Tsy azy ny manao an’izany, na mandeha any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) aza izy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, afakomaly, momba ny fangatahan’ny depiote 23 tamin’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna […]
Mois : mars 2023
Namearison Robert : “Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpanao politika”
Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mihahenjana hatrany ny fifanandrinana politika. Aiza ho aiza amin’izany ny vahoaka? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpitondra na ny mpanohitra” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao […]
Tonga an-tanindrazana… : mitohy ny sehon-dry Mbola, Inah, Mirana ary Fanilo
Maro ireo mpanakanto Malagasy nihodina tany ivelany, nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Angamba kosa tsy nisy nahavita ny nataon-dry Mbola Talenta, Fanilo Poppin’s, Inah ary Mirana, raha ny isan’ny fiakarana an-tsehatra no jerena. Am-polony maro ary tsy nisy herinandro tsy niakarana an-tsehatra izy ireo. saika voatety i Frantsa ary […]
Tana design Week : hifototra amin’ny sekoly ny hetsika
Notanterahina ny alarobia 08 marsa 2023, teny amin’ny Campus Telma, Andraharo, ny fampahafantarana ny hetsika “Tana design Week” andiany faharoa. Hivelatra kokoa amin’ny any ivelany ny hetsika amin’ity andiany ity. Hisy ny vahiny avy any ivelany ho avy eto Madagasikara. Lohahevitra amin’ity taona ity ny “Ary raha”, dikanteny avy amin’ny […]
Miss Maman : naneho ny tsara avy aminy ny mpifaninana
Tontosa omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM), Antsahavola, ny filatroana voalohany natrehan’ny mpandray anjara tamin’ny hetsika “Miss Maman Madagascar”. Nifandimby nilatro, naneho ny famoronany avy ny mpandray anjara manodidina ny 30 isa. Anisan’ny fepetra nifaninanan’izy ireo ny fanarahana ny lohahevitra “Comme une reine”. Naneho ny famoronany manokana ny mpifaninana […]




