Mois : mars 2023

Fikambanana FAM : omena sehatra ny vehivavy mpandraharaha

Ahitana fampirantina sy fifampizarana ho an’ny vehivavy mpandraharaha etsy amin’ny immeuble UPNNC Ambohitsoa, anio. Karaka­rain’ny fikambanana FAM (Femmes auto entrepreneures à Madagascar). Nampiton­draina ny lohahevitra hoe : «cocktail de réseautage». Fotoana iray hifanakalozana traikefa sy hifanampiana ary hifanohanana eo amin’ireo ve­hivavy mpikambana sy ny vahiny nasaina izy io. Tanjona ny […]

Miralenta – Anjara andraikitra: hialana ny hevi-draikitra napetraky ny fiarahamonina

Niofana mikasika ny lohahevitra mifototra amin’ny tsy fanavakavahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy ireo mpanao gazety omaly. Tanjona ny hialana amin’ny hevi-draikitra rehetra napetraky ny fiarahamonina. Tontosa omaly, tetsy An­taninarenina, ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikasika ny miralenta sy ny herisetra eo amin’ny maha lahy na maha vavy. […]

Mahavita taona ny vokatra azo : vehivavy 43 nifehy ny teknikam-pambolena Pfumudza

Vehivavy 43 avy amin’ny faritra 23 no nisitraka fampiofanana momba ny teknikam-pambolena Pfumudza teny amin’ny CAFPA Mahitsy, niarahan’ny fikambanana Fitia sy ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana. Manatsara ny voka-pambolen’ireo tantsaha ary miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny teknika Pfumudza. Tantsaha 5 tapitrisa no efa mampiasa ity teknika ity manerana […]