Mois : mars 2023

CEDS andiany faha-19 : nampahalala ny vokatry ny asan’ny fifandraisana

«Fifandraisana : Hanao ahoana ny hoaviny ho an’ny vehivavy ?» Io no lohahevitry ny dinika sy fifampizarana teo amin’ireo andriambavilanitra izay notanterahina omaly, teny amin’ny Oniversiten’An­ta­nanarivo. Hetsika izay nokarakara­in’ ireo vehivavy mpiofana avy amin’ny andiany faha-19 eo an­­ivon’ny CEDS sy ny Club Ari­sera. Nahitana ny fan­drai­san’ anjaran’ny klio­ban’ny mpi­­an­a­tra ao amin’ny sampam-pianarana […]

Ramatoa Rajoelina Mialy : niara-naneho ny fahavitrihana sy ny firaisankinan’ny vehivavy

Fotoana nahafahan’ny andriambavilanitra naneho ny heriny sy ny fahavononany amin’ny fandraisana an-tanana ny fiainany sy ny fampandrosoana ny diabe, omaly. Analiny ireo tonga nitanjozotra tamim-pahavitrihana naneho firaisankina. Nomarihina tamin’ny diabe notarihin’ny va­din’ny filoham-pirenena ny fankalazana ny andron’ ny vehivavy, omaly. Niainga tetsy amin’ny Gymnase An­korondrano nihazo ny ki­anjan’Alarobia izany. Nano­trona […]

Hetsika “Songadina” : tontosa omaly ny atrikasa “Malesa”

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny faritra Sofia. Notanterahina ny talata 7 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsa­havola, ny atrikasa momba ny “Malesa”. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Songadina”, hampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritra na faritany iray. […]

« Mamy indray ny miaina » : hankalaza ny faha-90 taonany i Henry Ratsimbazafy

Fanirian’ny zanak’olombelona maro ny hahatratra ny 90 taona… Nofinofin’ny mpanakanto maro ihany koa ny hankalaza izany an-tsehatra. Tonga amin’izay taona maha konka azy izay i Henry Ratsimbazafy amin’ity taona ity, satria feno amin’ny 29 marsa izao ny 90 taona ho an’ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. «Mamy indray ny miaina», hoy […]

Andron’ny 8 marsa : hiseho an-tsehatra ny “Miss Maman”

Hotontosaina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolon­tsaina malagasy (IKM) Antsa­havola ny fifaninanana “Miss Maman Madagascar 2023”. Fifaninanana natokana ho an’ireo reny. Nahatratra 314 ny nandray anjara tamin’izao fifaninanana izao. Manodi­dina ny 30 izy ireo no nahatafita ny dingana fifantenana mialoha ka hiatrika ny fifaninanana hatramin’ny farany. “Comme une reine”. Io no […]