Mois : mars 2023

Jly Ramasy Razafindratovo : «Vonona hanohy ireo zava-bitan’ny Tafika »

Vonona ny hanohy ireo zava-bita taloha ary hanao misimisy kokoa hatrany, io no nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena tetsy Ampa­hibe, omaly. Voatendry hisolo toerana ny sekretera jeneraly, tontosa io omaly io ny famindram-pitantanana teo amin’ny sekretera jeneraly taloha, ny amiraly Ranaivoseheno An­toine de Padoue sy ny Jly Ramasy Razafindratovo Heri­tiana. […]

Fifaninanana nahandro: nankasitrahan-dRajoelina Mialy ireo vehivavy telo nisongadina

Maromaro ny hetsika nokarakaraina hampisehoana ny talentan’ny vehivavy malagasy amin’ ny sehatra samihafa ho fanamarihana ny Andro ho an’ny fampivoarana ny zony. Niatrika ny fifaninanana mahandro tetsy amin’ny zaridainan’Anosy ireo vehivavy miavotse avy amin’ny faritra 23, nokarakarain’ny fikambanana Fitia, omaly. Tonga nitsidika ny famoronana sakafon’izy ireo sy nanolotra loka ho […]

Tao anatin’ny herinandro : namono olona ny Covid-19

Ny herinandron’ny 5 fe­broary hatramin’ny 3 marsa teo, olona iray no matin’ny Covid-19, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka. Nahitana trangan’ aretina vaovao miisa 24 ihany koa voamarina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahatratra 1.190 ireo natao fitiliana rehefa nahiahiana ka ireo 24 ireo no voaporofo fa voan’ny Covid-19. Tsy mbola […]

Fampiasana fanafody : nodinihina tany Maroc, ireo mety ho vokatra tsy irina

Ny 2 sy ny 3 marsa teo, nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ i Afrika tany Rabat, Maroc i Madagasikara. Ni­ompana tamin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny adihevitra. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny siansa sy […]

rivodoza freddy : miha manalavitra ny morontsiraka atsimo

Tany amin’ny130 km atsimo andrefan’i Toliara no misy ny foiben’ny rivodoza Freddy, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. 90 km isan’ ora ny herin’ny rivotra hoentiny ary tafiotra hatramin’ny 125 km isan’ora. Mianan­drefana somary atsimo an­drefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 5 km isan’ora. “Raha ny fizotrany dia manalavitra miadana ny morontsiraka […]