“Miaina ary fitaratry ny fiarahamonina ny anjara asan’ny teatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Compagnie Miangaly, Razafiarison Fela, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Manana ny anjara asany ny teatra ary tokony homena sehatra sy anjara fitenenana. Anisan’ny mampivelatra ny kolontsaina sy ny firenena ary ny maha olom-pirenena ny […]
Mois : mars 2023
« 7ème Dimanche classique » : hanafana ny AFT i Rindra R.
Amin’ny alalan’ny rantsantanana no hivoahan’ny aingampanahy ! Hanaporofo io fomba fitenin’ny mpitendry zavamaneno io i Rindra Ramarosandratana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «7 ème Dimanche classique» karakarain’ny Madagascar Mozarteum, hitendry ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany izy. Fampisehoana hotanterahina etsy amin’ny AFT Andavamamba, ny alahady 5 marsa izao, manomboka amin’ny 4 […]
Teatra Vakivakim-piainana: hiverina ny fampisehoana tantara an-dampihazo
Tontosaina anio eny amin’ ny Ivokolo Analakely ny “Teatra Vakivakim-piainana”. Fampisehoana an-dampihazo notakarina tamin’ny tantara foronina “Vakivakim-piainana”, nosoratan’Iharilanto Patrick Andriamangatiana na IPA. Fiaraha-miasan’ny Office national des arts et de la culture (OFNAC) sy ny fikambanana AKO no nahatanterahana izao hetsika izao. Efa vonona hatramin’ny ela ny mpikarakara sy ny mpandray […]
Mpanakanto sy ny lalana nodiaviny: voasokajy ho anisan’ny kintan’ny kanto malagasy i Gabhy
Niavaka teo amin’ny feony sy ny fahaizany mihira i Gabhy. Niaiky izany avokoa na ny teto Madagasikara na ny mpanakanto tany ivelany tamin’izany andro izany. Rariny loatra raha misy ny hetsika ho fahatsiarovana sy fampahafantarana ity kintan’ny kanto malagasy ity. Mpahay kanto nanana ny maha izy azy fony fahavelony i […]
Paikady Tany Meva 5 : mahatratra 1,5 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola
Voatendry ho tale mpanatanteraka (DE) hitantana ny fikambanana Fondation Tany Meva, Rasoanarivo Hariliva, mandimby an’i Fanohiza Claude. Anisan’ny vina hotanterahina ny paikady andiany fahadimy Tany Meva 5 ho an’ny taona 2023 hatramin’ny 2027. Ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny tetikasa miisa 40 miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mahatratra 1,5 tapitrisa […]




