Mois : mars 2023

Fokontany Ambanimaso : nisy nangalatra ny lisi-pifidianana tamin’ny 2011

Tsy very ny lisi-pifidianana vao nohavaozina ny volana oktobra 2022 lasa teo, tao amin’ ny biraom-pokontany Amba­nimaso, kaominina Anosizato Andrefana. “Ireo lisi-pifidianana tamin’ny taona 2011 atao hoe lisitra vakiraoka no lasan’ny mpangalatra niaraka tamin’ireo entana sy fitaovana fampiasa tao”, hoy ny sefo fokontany ao Anosizato Ambanimaso, Raharimanana Emilienne raha nanontaniana […]

Ho fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana : napetraka ny komity handrindra ny asa eny ifotony

Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny sokajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe. Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara, iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika. Tanjona […]

Fanararaotam-pahefana : mampiaka-peo ireo mpivarotra amoron-dalana

Mitaraina noho ny fisian’ny mpiasa manao kolikoly ao amin’ny kaominina amin’ny mpivarotra amoron-dalana. Mpi­asa vitsivitsy ao amin’ny Lapan’ny tanàna no manao izany fanararaom-pahefana. Betsaka ireo mpivarotra amoron-dalana izay mahazo mivarotra eny amin’ny sisin-dalana fa ny an’iretsy mpivarotra eo Ambatomena ambanin’ny Maosoivoho Frantsay no niharan’ity fanesorana tsy ara-dariny ity. Nandoa vola […]

Forum des métiers : tsara ny misafidy ny sampam-pianarana harahina

Ahitana hetsika «Forum des métiers » anio maraina, eny amin’ny Lycée Fana­votana Antsalovana 67 ha. Kara­karain’ny Promotion Daholo, andiany fahavalo eo anivon’ny sekoly. Natokana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea izany. Tanjona ny hampahafantatra sy hampisehoana ireo karazana sampam-pianarana tsara sy mety ho an’ireo mpianatra rehefa eny amin’ny ambaratonga ambony. […]

Lalaon’ny Nosy : mpilalao volley-ball telo an’ny Cosfa handrafitra ny ekipam-pirenena

Natsangana teo anivon’ny Foloalindahy ny Cosfa, ny taona 1982. Ahitana ny Tafika, ny zandarimariam-pirenena, ny sivily ary ny OMSC na office militaire des sports et de la culture, tarihin’ny Jly Rajao­sitera Rollando. Efa nandrombaka amboara maro ary mampiavaka azy ny fananana mpilalao maro amin’ny karazam-panatanjahantena samihafa. Ankehitriny, 602 ireo mpilalao […]