Saron’ny mpitandro filaminana teny amina lehilahy iray ny entana halatra toy ny zavamaneno roa , vatoaratra, niampy fitaratra fiton’ireny fiara sprinter ireny tetsy Ambatomirahavavy, ny alin’ny alakamisy teo. Nanao fisafoana amin’ny alina, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary ny telo lahy samy nitondra entana teny aminy. Nirifatra nandositra avy hatrany izy ireo […]
Mois : mars 2023
Holafitry ny vadintany : olana ny fangatahana mpitandro filaminana
“Efa an-taona maromaro no nisedra olana ny holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty rehetra manerana an’i Madagasikara. Efa nisy ihany ny fanairana sy tatitra natao nefa tsy nisy ny vahaolana hatramin’izao”. Nohamafisin’izy ireo fa amin’ny faritra maro eto Madagasikara dia misedra olana ny vadintany amin’ny fangatahana mpitandro filaminana na mbola […]
Tontolo iainana : betsaka indrindra ny CO2 tamin’ny 2022
Araka ny tatitra faha-6 nataon’ny GIEC*, mahatratra 3,5 miliara ny isan’ny olombelona miaina amin’ny loza ateraky ny fitomboan’ny hafanana eto ambonin’ny tany. Mitaky ezaka betsaka ny atao. « Maika ny mamaritra fepetra, ary raha amin’izao fotoana izao no manao izany, mbola azo antoka ny hoavy maharitra ho an’ ny rehetra », hoy […]
Fahasimban’ny tontolo iainana : tafiditra anatin’ny faritra mena i Madagasikara
Tafiditra anatin’ny faritra mena amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasikara, raha ny tatitra navoakan’ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) tamin’ny 2020. Mahatratra 15000 isan-taona ireo zava-mananaina ahina ho lany tamingana eto Madagasikara nanomboka ny taona 2022. Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha ny hetsika iraisam-pirenena […]
Ambatovy : sahona 1800 eny amin’ny tontolo voajanahary
Sahona « Mantella aurantiaca » izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara 1 800 mahery no naverina eny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy, ho fiarovana sy fampitomboana taranaka ity karazana sahona ity. Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fitandrovana ny voahary (UICN)* ho anisan’ireo biby tandindonin-doza […]




