Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena malagasy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena farany tamin’ny 24 marsa 2023. Marefo ny toekarena amin’ny ankapobeny, ary voasokajy anisan’ny firenena mahantra indrindra i Madagasikara. Nisy 5,7 % ny fisondrotry ny harinkarena tamin’ny 2021 na teo aza ny Covid-19 sy noho ny fiovan’ny toetr’andro ary ny […]
Mois : mars 2023
Miantso ny tomponandraikitra : misy mivarotra ny fanafody Plumpy Nut
Misy mivarotra 1100 Ar ny fonosana Plumpy Nut iray eto Antananarivo, ary efa miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera facebook mihitsy ny fivarotana ity fanafody ity. Araka ny fanadihadiana, mpamongady no voalaza fa mivarotra izany eto amin’ny facebook, ary misy olona maka hatramin’ny 300 isa. Fanafody hitsaboana ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika […]
Faritra Atsimo Atsinanana : nahazo tompondaka telo ho an’ny fanjarian-tsakafo
Hamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny GIZ-Prosar izay manana tanjona hampihena ny tahan’ny olona tsy ampy sakafo eto Madagasikara sy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana manokana. Nikarakara fifaninanana handraisana mpikambana vaovao ho tompondaka ho an’ny fanjarian-tsakafo ao anatin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny GIZ-Prosar sy ny fikambanana ASOS. Hanampy amin’ny […]
Covid-19 : niakatra 78 ny tranga vaovao
Niakatra avo roa heny raha mitaha ny tamin’ny herinandro farany ny isan’ny olona vaovao mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ho an’ ny 18 ka hatramin’ny 24 marsa lasa teo, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 78 ny tranga vaovao avy amin’ny fitiliana 397. Iray ny tranga misy fahasarotana ary 80 […]
Contribution et promotion vers l’avenir : tanora 104 nahazo fiofanana maimaimpoana
Ho fanampiana ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fahazoana diplaoma, manofana maimaimpoana ireo tanora manana mari-pahaizana amin’ny « comptabilité » ny Contribution et promotion vers l’avenir (CPA). Fandaharanasa hampiroboroboana ny fampananana asa no tanjona miaraka amin’ny fanofanana enim-bolana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana CPA, Ramiaramanana Rija Francis, ny faran’ny herinandro […]




