Ratiarison Asaramanitra, judokas azo lazaina mbola tanora kanefa efa nanoratra tantara maro teo amin’ity taranja ity. Karate no fanatanjahantena voalohany nataony niaraka tamin’ireo zokiny telo lahy. Ny rainy kosa no nitondra azy nanao fanazaran-tena Judo voalohany. “6 taona aho no nanomboka nanao Judo tao amin’ny Judo Club ESCA ary nijanona […]
Mois : mars 2023
Orange Pro League : lavon’ny TFFC ny Uscafoot
Tsy nampoizin’ny rehetra ny voka-dalao tamin’ny andro faha-11 ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League (OPL). Lavon’ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC) Boeny, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Uscafoot Analamanga. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy 25 marsa lasa teo. Raha hiverenana ny lalao, ny TFFC no nitarika, tamin’ny […]
Fifanintsanana Can 2023 : vonona hanao « Remontada » ny Barea anio
Hiezaka hanoratra tantara vaovao ny Barea anio, vonona hanao “remontada” amin’ny les Fauves Centrafrique izy ireo. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Douala Cameroun, amin’ny 4 ora folakandro, ora eto Madagasikara. Fihaonana tafiditra amin’ ny andro fahefatra, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho fandraisana anjara amin’ny Can 2023, hatao any Côte d’Ivoire. Tsy […]
SESAM and-3 : niara-nikotrana ny mpandray anjara
Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny andiany faha-3 amin’ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts martiaux), hatao ny 5, 6, 7 mey izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika, niaraka nanao fanazaran-tena sy famerenana, ny seho hataon’izy ireo, ny mpandray anjara amin’ity hetsika […]
Atletisma – Telma semi marathon : resin’i Fulgence i Mampitroatse
Tsy nisy ny zava-bita montsana saingy nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny fifaninanam-pirenena, taranja atletisma Telma semi-marathon. Fifaninanana, notanterahina teto Antananarivo, omaly alahady. Resin’i Fulgence, atletan’ny Crown, Vakinankaratra, efa 47 taona i Mampitroatse, anisan’ireo nanjakazaka tamin’ity halavirana 21 km ity. Nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ity sokajy lehilahy ity. Raha […]




