Mois : mars 2023

STM JJ Rabearivelo: efa taratra ny hoavin’ny teatra malagasy

Somary nangingina ny sehatry ny teatra malagasy tao anatin’ny taona vitsivitsy. Manomboka miverina maka ny toerany kosa izy ankehitriny. Mbola tafapetraka amin’ny maha izy azy ny teatra ary mbola maro ihany koa ny mpankafy. Tontosa ny Alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Anda­va­mamba, ny fampisehoana nampitondraina […]

Fiatrehana ny fifidianana : mitaky ny hitohizan’ny dinika ny Pnud

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ahitana ny avy amin’ny Pnud, ny Von­drona Eoropeanina (UE), ny Vondrona Afrikanina (UA) ary ny Frankofonia (OIF). Nankasitraka ny dingana vitan’ny Ceni tamin’ny dinika nandraisan’ny rehetra anjara izy ireo, mba hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara. Hahatongavana amin’ny fifidianana anaty fitoniana izany, manoloana ny fisokafan’ny […]

Andrianainarivelo Hajo : “Antoky ny fanajana ny zo ny fitsinjaram-pahefana”

Nitohy tany Antsiranana indray ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-mianga, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. “En­driky ny fitsinjaram-pahefana no sady antoky ny fanajana ny zo maha olona, imasoan’ny foto-kevitra demokraty hery afovoany ny fahalalahan’ny olom-pirenena mandraharaha sy mandray andraikitra”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina koa ny fahaizana mifampiraharaha […]

Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy anisan’ireo mitaky fitondrana tetezamita ny Tim”

Notanterahina ny sabotsy teo, teny Ambohimanarina, ny hetsika fifampiarahabana eo anivon’ny Tim eny amin’iny boriborintany iny. Nam­ba­ran’ ny filoha nasionaly, Ravalo­manana Marc tamin’izany fa tsy azo ekena ny hevitry ny sasany. “Tsy anisan’ireo mitaky na mikononkonona fitondrana tetezamita izany isika. Efa izao ny fahoriana mahazo antsika sy ny firenena ve […]

Vavaka ho an’ny firenena : nampahatsiahy ny fikaonandoha ny FFKM

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny FJKM Analakely, ny fotoam-pivavahana natao ho an’ny tanindrazana sy ny vahoaka,amin’izao fahatsiarovana ny 29 marsa izao. Nam­pita hafatra fohy tamin’izany ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny ny fangatahana vavaka mba hampahomby ireo dingana samihafa hamorian’ny fiangonana efa-tonta ny zanany. Ho­tanterahina intelo miantoana izany, […]