Mois : mars 2023

Rugby AROI : norombahan’ny Makis de Madagascar U18 lehilahy ny amboara

Nihofahofa tatsy amin’ny Nosy La Réunion indray ny saina malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), taranja rugby, sokajy zandriny U18 sy U16. Norombahan’ny Makis lehilahy ny amboara ho an’ny U18; Notanterahina tatsy amin’ny Stade Paul-Julius Benard, ST Paul, La Réunion, ny zoma 24 sy ny sabotsy […]

Faribolana Sandratra : narahina « Alimbetso » ny « Zarafanahy » XII

Tolakandron’ny asabotsy 25 marsa teo, nafana ny fihaonan’ny « mpiraifaribolana » sy ny mpanatrika mpitia asa soratra, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM / GZ) tohatohabaton’Antani­na­renina. Tafaraka sy nifandimby teny an-tsehatra ireo mpanoratra 13 mianadahy avy ao amin’ny Faribolana Sandra­tra. Samy naneho ny talentany amin’ny fanoratana sy fiantsana ny tsirairay. Ireo sanganasa anisan’ny […]

Taria Mikabary : nivoaka ny andia « Miray »

Notontosaina, omaly, teny Ambatobe ny lanonam-pa­moahana ny andia « Miray », mpikabary niofana tao amin’ny Taria Mikabary. Andiany faha-4 navoakan’ity fikambanana ity izy 19 mianadahy ire­to, raha ny fanazavan-dRajoe­lison Dimby Tahiana, filohany. Tazana ao anatin’ny andia « Miray » avokoa ny sokajy taninkentsa, mpiofana, mpandalina ary ny mpampianatra. Niavaka noho ireo teo aloha izy […]