Natao sonia, ny 31 marsa teo, ny Drafi-pitantanana ara-tontolo iainana manokana (PGES)* nohavaozin’ny orinasa Ambatovy. Nanatanteraka izany, ny filohan’Ambatovy sy ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija.
Voafaritr’ity drafi-pitantanana vaovao ity ny fe-potoana 2023 hatramin’ny 2027. Voakasik’izany ny fitrandrahana any Ambatovy Moramanga, ny fantsombe mitatitra ny akora-potaka, ny ozinina fanodinana any Toamasina, ny seranan-tsambo ary ny toeram-panangonana ny akora avy nahodina. Hita ao koa ny lafiny fampandrosoana sosialy (PGEDS), ny fepetra sy ny asa ataon’Ambatovy amin’ny lafiny tontolo iainana sy sosialy. Hanampy ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, nomena azy ny taona 2006 izany.
Manamafy ny toky nomen’Ambatovy amin’ny lafiny tontolo iainana ity fanavaozana ny PGES ity. Isan’ izany ny fanajana ny lalàna manan-kery voafaritry ny didim-panjakana MECIE.
Njaka A.
*PGES : Plan de Gestion Environnementale Spécifiques




