Dihy “Tango” : hisy vahiny hizara ny traikefany

Hisy ny atrikasa momba ny Tango, hotanterahina eto Madagasikara, iarahana amin’ ny kalaza eran-tany eo amin’ ity karazana dihy ity. Anisan’ ny ho avy eto hizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony i Je­remy Vannereau sy William Garcin ary i Eric Franceries. Ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (Anac) no mikarakara ny hetsika, ary ny 15 hatramin’ny 20 avrily 2023, eny amin’ny Anac, tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana izany.
Hisy indray ny mpahay kanto vahiny ho avy eto Ma­dagasikara, hampahafantatra sy hizara ny momba ny “Tango”. Telo mirahalahy, samy manana ny maha izy azy, no ho avy eto. Hisonga­dina manokana mandritra ny fandalovan’ireto vahiny ireto ny gitara sy violon ary bandonéon, zavamaneno izay tena ampiasaina amin’ny “Tango”.
Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika. Maimaim-poana tanteraka ny atrikasa ho an’ny mpianatra eo anivon’ny Anac, raha misy sarany kosa ho an’ny tsy mpianatra ao maniry ny hanatrika izany atrikasa izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: