Tsy mety fay! Nifanenjehan’ny olona ny rangahibe iray satria nikasa hamaky trano tao amina tokantrano iray eny Andohatapenaka, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Avy namaky trano tamina trano iray teo an-toerana ihany izy ary mbola nikasa hanohy ny asa ratsiny indray. Tonga naka azy ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahafito fa raha tsy izany, niharan’ny fitsaram-bahoaka teo izy satria efa nentin-katezerana ny olona. Nandritra ny famotorana azy no nahalalana fa nikasa hanao ny asa ratsiny tokoa izy tamin’io fotoana io. Tsy mbola nisy zavatra very anefa nandritra ny fotoana nahasamborana azy.
J.C




