« Rindran-kira ho anao » : hasongadina ny hiran’ny omaly

Hiavaka tanteraka ! Rehe­fa nosokajiana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny ho re avy eny an-tsehatra, ny alahady 16 avrily izao, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ ny CCEsca Antanimena. «Rin­dran-kira ho anao», seho ahitana ireo mpanakanto miangaly io karazan-kira io. Mpana­kanto sy tarika maherin’ny folo no hanatanteraka izany : Fidimalala, Abel Ratsimba, Salomon, Tovo Andrianan­drai­na, J. Andriamanantena sy Julie, Ny Alondrano, tarika Jean-Luce sy Lala, Narisoa, Noely sy ny Sakelidalana, Faniry Raelison, Ny Angolan’ Imerina.

Amin’ny ankapobeny, voa­sokajy ho anisan’ny hiran’ny omaly ireo voaforona taori­an’ny kalon’ny fahiny. Tsy voatery hahenoana tendry gasy na bagasy na zavamaneno piano ny hiran’ny omaly, fa ahatarafana kosa ilay aingam-panahy malagasy. Misy amin’ireo mpamorona hiran’ ny omaly, ohatra, no nampiasa ny valse, salsa, rock, sns.
Vokatr’ilay tononkira sy aingam-panahy malagasy ao amin’ny hiran’ny omaly, maro amin’izy ireny no tsy afaka eo am-bavan’ny Malagasy na efa ho 25 taona mahery aza ny nivoahany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: