Antoko Malagasy miara-miainga : «Hamafisina ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka»

Naneho ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho an’ ny filohan’ny Fanavao­zana sy ireo mpanolotsaina avo ny antoko MMM, amin’ izao tsingerintaona voalohan’ ny fitondrana Fanavaozana izao. Maneho hatrany ny fahavononany hiara-miasa amin’ ny fanatanterahana ireo fanovana entina hanorenana firenena vanona sy hampandrosoana an’i Madagasikara ny antoko, araka ny fanamba­rana. Niaiky ny MMM fa mbola maro ireo fanamby miandry ny firenena. Mitaky fahavono­nana, fandraisana andraikitra ary fiaraha-mientan’ny rehetra ny fanatanterahana izany, mba hahazoana vokatra mi­vaingana eo amin’ny fiainany andavanandro. «Vonona ha­trany hiara-dia amin’ny fitondrana ho an’ny fanamafisana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ny koli­koly, ny fanatsarana ny fiai­nan’ny olom-pirenena ary hanomana hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny tanora ny MMM», hoy izy ireo.
Tsiahivina fa nitohy tany Vakinankaratra, Antsirabe, ny fikaonandoham-paritry ny an­toko, ny herinandro teo. Ani­san’ny voaresaka tamin’ izany ny momba ny fifidianana. «Tokony hiainga eny ifotony no hanombohana izany mba tena hipetrahan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Na izany aza, manaiky ny tapaky ny maro anisa izahay amin’ny maha demokraty anay», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nan­teriny fa ilaina ny manadio ny lalàm-pifidianana sy manitsy ny Ceni mba hipetrahan’ny fifampitokisana ka hananana fifidianana mangarahara sy azo antoka ary eken’ny rehetra. «Efa nisy ny tolo-dalàna sy ny fakan-kevitra momba ny zotram-pifidianana natao teny Iavoloha ka tokony havadika ho lalàna izany», hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: