Fanampiana ireo voafonja : haverina ny asa famokarana sy fizarana traikefa

Hamerenana indray ny hasin’ny famokarana eny anivon’ny fonja, mba hahafa­han’ireo voafonja misakafo ara-dalàna. Ireo no tanjona napetraka tamin’ny fifanaovan-tsonia sy fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ny Fitsarana, afakomaly, tetsy Anosy. Natao izao hampihodinana ny fonja tsirairay sy hanenana ny tetibola lanin’ny fanjakana amin’izany. Fa indrindra hanomezana traikefa an’ireo voafonja amin’ny sehatry ny famokarana rehefa manefa ny saziny ka hiverina eny anivon’ny fiarahamonina. Manodidina ny 30.000 eo ny isan’ny voafonja amin’izao. Antony nahatonga ity tetikasa ity ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon’izy ireo. “Ao Ambositra no hanom­bohana ny tetikasa fa mbola hapetraka manerana ny fonja erak’i Madagasikara izany. Hisy, arak’izany, ny tohana ataon’ny ministeran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana”, hoy Ramilison Harifidy, minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana. Ankoatra izay, mbola hisy ny fanaovana tantsoroka ny voafonja amin’ny lafiny rehetra. Zava-baovao izao fiaraha-miasa izao satria afaka manaja ny zon’ireo voafonja amin’ny lafin’ny sakafo, hoy hatrany ny minisitra.

Henintsoa H.

Partager sur: