Mois : avril 2023

KMF/Cnoe : “Manararaotra ny fitondrana”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe manoloana ny raharaham-pirenena, amin’izao fotoana izao. “Manamarika izahay manoloana ireo lanonam-panjakana etsy sy eroa fa manararaotra amin’ny lafiny maro ny fitondrana ankehitriny”, hoy izy ireo. Nota­nisain’ny fanambarana amin’izany fa mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika. Efa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no misy raha […]

Filohan’ny Vaomieran’ny fiainana politika: “Tokony tsy afa-kirotsaka ny kandidà tsy manana mpitambola”

Manara-maso akaiky ny fiatrehana ny fifidianana tahaka ny efa nataony ny eo anivon’ny Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika (CCFVP). Nitondra ny sosokeviny izy ireo amin’izany. “Tsy mpanao lalàna sy tsy mpanao po­litika ny CCFVP, fa mpampihatra lalàna amin’ny fiainana politika. Ani­san’ ny sosokevitray voalohany dia hoe: tokony […]

Tsatoka antsy : roa lahy voaendaka, voatrobaka ny kibony

Naratra mafy notsatohan’ny jiolahy antsy ireo olona voalaza avy nijery fampisehoana teny Analakely, afakomaly hariva. Mody eny Ano­sipatrana izy roa lahy ireto, saingy niala tamin’ny taxi-be teo Andavamamba no narahan’ny jiolahy telo avy aoriana. Teo amin’ny lalana pavé mivoaka eo amin’ny fiangonana iray eo Andavamamba no nanaovan’ireo olon-dratsy ny asa […]

Mila mijoro

Anatin’ny fifampitsapan-kery tanteraka ny mpanao politika malagasy, ankehitriny. Iaraha-mahita sy miaina ny kivorivory etsy sy eroa, entina mampiseho fa manana olona mpanohana. Zary hifaninanana ny serasera sy ny fandokafan-tena fa mamy hoditra amin’ny vahoaka malagasy. Toe-javatra efa mahazatra raha amin’ny vanim-potoana tahaka izao, indrindra amin’ny faramparan’ny fotoam-pitondrana ho an’ny ankilany, […]

Razanamahasoa Christina: malahelo amin’ny fifampihantsiana politika

Tena efa tafahoatra ka tsy afaka ny hangina intsony! Tsy mankasitraka ny lahateny fihantsiana nahazo laka tato ho ato ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Chirstine. Notsiahiviny ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. “Fo­toana izao hanomezana vahana ny fitoniana… “, hoy izy tany Ambositra, ny sabotsy teo. Nanteriny fa tokony lahateny mivoy […]