Tanterahina eny amin’ny foiben-toeran’ny ADMC- CRAAM Ankatso, ny 19 avrily 2023, ny resadresaka sy fifanakalozana eo amin’ny mpianatra sy ny mpahay kanto matihanina iray. Hetsika karakarain’ny mpianatra mpikambana eo anivon’ny Associatioin Des Mediateurs Culturels na ADMC. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana tosika amin’ny alalan’ny fanoloran-kevitra sy fifampizarana amin’ny olona efa matihanina […]
Mois : avril 2023
Lico Kininike : voatendry ho ambasadaoron’ny Telma
Voafidy ho anisan’ny masoivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma i Lico Kininike. Notanterahina, omaly, teny Andraharo, ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Mpanakanto anisan’ny manana ny maha izy azy sy mbola tena tanora i Lico Kininike. Ny taona 2018 izy no nanomboka hita teo amin’ny sehatra matihanina teo amin’ny haikanto. Tanjona amin’izao ny […]
Kolontsaina sy asa sosialy: hanatanteraka hetsika « Tia mizara » ny Voice for Light
Talenta, hoentina hanasoavana ny namana. Endrika iray isaloran’ny hetsika « Tia mizara » karakarain’ny Voice for Light sy ny Vondrona fototra laika ao amin’ny FJKM Ambanilalana Finoana. Hiaraka ao anatin’ny roa andro ny kolontsaina sy ny fanatanterahana asa sosialy ho fanampiana ny mpiara-belona miaina ao anatin’ny fahasahiranana. « Tia mizara », hetsika karakarain’ny Voice […]
Vonjy iray tsy mivaky : “Azo atrehina ny fifidianana… “
“Ilaina ny fihaonambem-pirenena mialoha ny fifidianana, raha hita hoe tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Tsy mety raha fifidianana mitarika korontana. Azo atrehina ny fifidianana, raha manaiky ny hisian’izay ny ankamaroan’ny mpisehatra amin’izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Vonjy iray tsy mivaky (Vitm), ny Dr […]
Fanentanan’ny Ceni : efa azo hamarinina ny anaran’ny mpifidy
Notsiahivin’ny eo anivon’ny Ceni ireo tetiandro amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao sy ny fanohizana ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy. Anisan’ izany ny efa namaranana vonjimaika ny lisitra ny 10 avirly teo. Haharitra enina andro, nanomboka ny 11 hatramin’ny 16 avrily kosa ny fandefasana ny lisitra eny anivon’ny […]




