Mois : avril 2023

Filoha Rajoelina Andry : nizara traikefa tamin’ny tanora

Tafiditra amin’ny politikan’ny filoham-pirenena, nisy ny fizarana traikefa nataony tamin’ny tanora mpandraharaha, omaly. Notanterahina teny Iavoloha, ny « Malagasy Youth Business Meeting ». Tanora mpandraharaha miisa 40 avy amina seha-pihariana rehetra no noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Nisy ny dinika an-databatra boribory nifampiresahan’ny roa tonta. Indrindra […]

“Spring meetings”: «Meilleurs leaders africains» ny minisitry ny Toekarena

Tafiditra ao anatin’ireo 25 « leaders africains » eto amin’ ny kaontinanta afrikanina Rabarinirinarison Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, taorian’ilay “spring meetings”, natao tany Washington, ny 13 avrily lasa teo. Nandritra izay, voatendry ho « meilleurs leaders africains de la finance » ny tenany. Nandritra ireo fivoriam-be natao, mbola Ramatoa minisitry ny Toekarena […]

Banky SG Madagasikara sy Bôndy : Karatra iray misanda hazo iray

Tandindonin-doza ny zava-mananaina eto Madagasikara satria ringana ny 44%-n’ny ala nanomboka ny taona 1950. Izay no mahatonga ny banky Société générale, SG Madaga­sikara, tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fambolen-kazo, hanamaitsoana ny Nosy, efa tato anatin’ny 37 taona. Na­hatratra 140.200 ny zanakazo voavoly tamina velaran-tany 66 ha, hatramin’ny taona 2022. Hanohizana […]

Rano madio fisotro: 43%-n’ny mponina eto Madagasikara no misitraka izany

Zon’olombelona fototra ny fisitrahana rano madio fisotro. 43%-n’ny mponina eto Madagasikara no misitraka rano madio fisotro, raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, tamin’ny 2015. “Anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny mpikirakira ny asa fikojako­jana ny fotodrafitrasa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny mi­nisiteran’ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, Razaivao […]

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza roa nisesy: tokantrano maherin’ny 21.000 isa nahazo 120.000Ar

Nanome fanampiana an’ireo tokantrano lasibatry ny rivodoza indroa nisesy teto Madagasikara ny FID mba hanarenany indray ny lafiny sosialy sy toekarena. Natao izany mba hahafahany manohy ny asa fivelomany andavanandro. Nitondra fiantraikany betsaka teto amin’ny firenena ireo rivodoza, Cheneso sy Freddy, nandalo teto Madagasikara tamin’ny voalohan’ny taona. Betsaka ny fotodrafitrasa […]