Nitsidika an’i Madagasikara ny OMS Genève sy Afrika, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny anton-dian’izy ireo. Teboka maromaro no navoitra hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana. Nojerena manokana ny fanatsarana ny paikady hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Mbola ambony […]
Mois : avril 2023
Faritra Matsiatra Ambony : marolafy ny fanatsarana ny fanabeazana natao
Fararanon-danonana ho an’ny fanabeazam-pirenena ny tao Matsiatra Ambony. Fotodrafitrasa maro no notokanana. Samy nahazo ny anjarany na ny mpampianatra na ny mpianatra. Nitety Cisco maromaro ny hetsika amin’ny seha-panabeazana tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, ny faran’ny herinandro teo, izay natrehin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Tao amin’ny Cisco Ambalavao, […]
Muay-Thai – «Mada 2023» : nahazo medaly volamena 10 Atsinanana
Nandrombaka medaly volamena 10 ny atletan’ny faritra Atsinanana, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay-Thai, notanterahina tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny 8 sy 9 avrily lasa teo. Raha tsiahivina, mpikatroka 11 no nisolo tena ny faritra ka nahazo volamena avokoa ny 10 raha volafotsy ny iray. Tamin’ny […]
Rugby – « XXL Top 20 » : lavon ‘ny TFA Anatihazo ny XV FA Ampasika
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby, taona 2023. Lavon’ ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 23 no ho 16, ny XV FA Ampasika. Raha hiverenana ny lalao, hita fa manana herijika ny XV FA Ampasika, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny nanokafan’izy […]
Volley-Mada 2023 : nandravarava ny GNVB
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Jeunes” sy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “2éme division” lahy sy vavy. Nandravarava ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, izay nibata fandresena miisa 3 tamin’ireo sokajy 6 nifaninana. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona vehivavy ny GNVB […]




