Mois : avril 2023

Zaikabe : tsy miova foto-kevitra ny Otrikafo

“Ny mpitarika ny antoko no miova, fa mitoetra hatrany ny foto-kevitra”, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny Otrika­fo, Rabevahiny Elia, taorian’ny famaranana ny zaikabe nasionalin’ny antoko teny amin’ny foibe toerany, Andra­voahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo. Efa natomboka tany amin’ny faritra tamin’ny taon-dasa ny zaikabe, ka fifidianana sy fampahafantarana ny birao […]

Lisi-pifidianana : miantso fahamailoana ho an’ny rehetra ny Tim

Namaky bantsilana ny zava-misy amin’izao fikarakarana ny fifidianana izao ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Morondava, afakomaly. “Misy governera aty amin’ny faritra atsimo aty mamorona fokontany sy birao fandatsaham-bato tsy misy ary tsy ara-dalàna ka mila mailo isika manomboka izao”, hoy izy. Nohitsiny koa fa misy olon’ny minisiteran’ny Atitany mamita […]

Depiote Randrianasoloniaiko Siteny : “Tokony hahazo 80 tapitrisa Ar avy ny kaominina”

Anisan’ny nanompanan’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny lahateniny tany Sam­bava, ny sabotsy teo, ny mom­ba ny fitsinjaram-pahefana. Notsiahiviny fa efa voalazan’ny Lalàmpanorenana izany ary roa ireo mpitondra nifandimby teo. Tsy nampihatra izany anefa izy ireo. Nianiana amin’izany Lalàmpanorenana izany izy ireo nefa tsy nampihariny… “Lainga ny fampiharana ny tetibolam-panjakana amin’izao fotoana izao […]

MMM : “Tsy an’olon-tokana ny firenena “

Nitohy tany Maintirano, any Melaky indray ny famelabelaran-kevitry ny antoko Malagasy miara-miainga. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa tsy mahita ny olana eny ifotony ny fanjakana foibe. Ilaina ny mifampihaino sy manadihady, mba hisorohana ny tahaka ny ma­hazo ny sehatry ny lavanila, araka ny nambarany. “Olana eto amintsika ny fiheveran-tena […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré: “Mibebaha ary atsaharo ny fihatsarambelatsihy”

Tsy nitsitsy fitenena ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tamin’ny lahateny fohy nataony tany Boriziny, omaly. Nitodika amin’ny mpitantana isan-tokony sy ny vahoaka ary ny kristianina ny tenany tamin’izany . “Aoka isika aty amba­­ny ka hatrany ambo­ny, hibebaka fa tsy afaka handroso haingana ny firenena. Ilaina ny famelan-keloka sy ny ma­mindra fo […]