Mois : avril 2023

Kitra – «Orange Pro League» : nisaraka ady sahala ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga

Ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Uscafoot sy ny AS Fanalamanga, teo amin’ny andro faha-14, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Orange Pro League” (OPL), ho an’ny kaonferansy avaratra. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny sabotsy lasa teo. Niezaka nitady fandresena teo an-jaridainany […]

Judo-Mada 2023: mbola tsy lefy laza ny klioban’ny Saint Michel sy ny ESCA

Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny heriandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Minimes, Juniors, Cadets, Seniors ary Vétérans, taranja Judo. Navitrika ny mpikatroka, nandritra ny 3 andron’ny fifaninanana ary nampiseho ady matihanina. 400 mahery no nifaninana, avy amin’ny ligim-paritra 8. Raha ny vokatra, […]

“Mihamy Mada Fashion”-Toamasina : nasongadina ireo mpamoron-damaody

Tontosa ny fanamby! Ni­katona ny alin’ny sabotsy teo, tao Toamasina ny andiany fahefatra amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Hateloana nanomezan-danja ny sehatry ny haihaingo sy lamaody ny hetsika. Raha toa ka teto Antananarivo hatrany ireo andiany telo voalohany, nosafidiana manokana i Toama­sina mba hanasongadinana ireo mpamoron-damaody sy ny akora avy any […]

Tarika AmbondronA : nampifandray ny Malagasy, miavaka ny tarika matihanina

Tsy ho voakosoka ny tantara mipetraka! Olona mifety sy miara-paly no nameno ny Kianjan’ny 13 mey. Nampiray fo ny Malagasy ny sehon’ny tarika AmbondronA teo Analakely, omaly. Firaisam-po sy saina. Izay no azo ilazana ny zava-niseho teo Analakely nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika AmbondronA, omaly, nanoloana ny Lapan’ny Tanà­nan’Antananarivo. Seho […]

Radimbielson William : “Ilaina ny rafitra hanaraha-maso ny mpitondra”

“Ny endriky ny tolona vaovao: inona ny rafitra ha­petratsika hahazoana manara-maso akaiky an’ireo olona nirahina hampiasa fahefana? Hatrany an-tampony ka ha­traty ambany izany. Satria misy ny fanodinkodim-bola hatrany ambony.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radim­biel­son William. Lasa malemy tsy manam-bola ny fanjakana noho ny fanodinkodinam-bola, […]