Tsy ara-dalàna ny fitantanana fotodrafitrasa eny anivon’ny boriborintany sasany eto Antananarivo. Mpitantana “bloc sanitaire” 71 ihany no nahafa-po amin’izany. Manampy amin’ny fanaraha-maso izany ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa, natao omaly. Vita omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny soniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpitantana “borne fontaine” sy “bloc sanitaire”. […]
Mois : avril 2023
Ecole en Foot-ball : hiaro ny amboara azony ny LTC Ampefiloha
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Ecole en foot-ball”, baolina kitra lalaovina olona 7, ho an’ny sokajy U16, U17, U18 hifanandrinan’ireo mpianatra amin’ny sekoly eto an-drenivohitra. Hotanterahina ny sabotsy 6 mey tontolo andro, eny amin’ ny kianja “synthètique” Andohalo, izany fihaonana izany. Hiaro ny amboara azony amin’ ity ny LTC Ampefiloha […]
Karateka Malagasy: 154 ireo olona niofana tamin’i Hanshi René
Tonga nanome fiofanana ho an’ireo olona marobe tonga teny Mahamasina, i Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy mpikatroka 10ème Dan. Anisan’ireo mpikatroka nasaina tao i Ylias Akbaraly, mpikatroka 5ème Dan amin’ity taranja ity ary filoha tale jeneralin’ny Redland. Miisa 154 mahery ireo olona tonga nanatrika ny fiofanana notarihin’i Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy […]
Foko malagasy : hihaona ny tomponandraikitra
Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ ny Antenimieran’ny Andriana Imerina, nampahafantarana ny hetsika ataon’izy ireo ny 2 mey hatramin’ny 5 mey 2023, eny amin’ny Fofikri Ankadikely Ilafy. Fifanakalozana ara-poko eto Madagasikara no hatao mandritra ny hetsika. “Maro ny zavatra hodinihina mandritra io fotoana io. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ […]
2 andro etsy amin’ny Coliseum: tarika 50 mahery no hanafana ny «Torajofo »
« Torajofo ». Anisan’ireo hetsika goavana nanamarika ny tantaran’Antsonjombe, fony izy mbola toerana namovoka tokoa izany. Niato taona vitsivitsy ity seho goavana ity, saingy izao hiverina amin’ny endrika hafakely izao indray. “Natao hanamarihana ny faha-20 taonan’ny RDJ dia haverina ny hetsika, ho fanomezana ho an’ny mankafy. Tarika maherin’ny 50 no hifandimby an-tsehatra […]




