Tontosa omaly, teny amin’ny Pietra Hotel Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny fampisehoana hataon’ny tarika Kiaka. Ny Giant Event no mikarakara ny hetsika, hanatanterahana ny 11 jona 2023, eny Antsahamanitra. Ho hita ao avokoa ireo mpikambana nahafantarana ny tarika hatramin’izay, ankoatra an’i Jhonny, izay any ampitan-dranomasina. “An-kafalina […]
Mois : avril 2023
Fondation H Ambatomena : misantatra ny toerana vaovao ny asa tanan’i Mme Zo
Fampirantiana goavana, manana ny maha izy azy no entin’ny Fondation H, misantatra ny ivontoerana vaovaony. Fampirantiana ny asa tanana nataon’i Madame Zo, izay mpanenona niavaka sy nanana ny naha izy azy teto Madagasikara. Notontosaina omaly, teny amin’ny ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambatomena, ny fampahafantarana ho an’ny mpanao gazety ity […]
Antoko Tim : mitaky ny hamoahana an’i Ninie Donia
Namoaka fanambarana tao amin’ny tambajotra ny Tim. Nahitsy ny fanehoan-kevitra ny amin’ny fitakiana ny hamoahana any am-ponja tsy misy fepetra ilay mpanakanto, i Ninie Donia. “Niaro ny tanin’ny vahoaka tao Nosy Be izy. Nefa atao ny fomba rehetra hamotehana ny fiainany”, hoy izy ireo. Notakin’ny Tim ny hisamborana ireo nikasa […]
Fiombonana: “Mety hiova ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza”
“Mety hisy fiovan-javatra eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany izao; eny, na tsy mihetsika aza ny fitondram-panjakana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Hita ireny depiote miova ankolafy ireny, ary mety misy ny fiforonana fiarahana manohitra ny fitondrana. Hita misy an’izany eny anivon’ny parlemanta. Hangotraka ny zavatra […]
Ady amin’ny kolikoly aty Afrika : nahavita ny fianianany Razafimandimby Tsiry
Nahavita ny fianianany tamin’ny fihaonambe faha-43-n’ny filankevitry ny Vondrona Afrikanina miady amin’ny kolikoly (AU-ABC) ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry Harivelo. Natao ny 25 avrily tany Arusha-Tanzania amin’izao fihaonambe hifarana ny 29 avrily izao izany. Mpikambana vaovao voafidy tamin’ny fihaonambe faha-42 ny volana febroary […]




