Mois : avril 2023

ONG Tolotsoa: “Misy ireo tsy tokony ho kandidà…”

“Ho an’ny mpirotsa-kofidina, rehefa mampindrana fahefana ny tena ny olom-pirenena: lasa mpampiasa izy, satria izy no nanome asa ny tena. Manan-jo hanara-maso ny asan’ny tena izy amin’ny maha mpampindrana fahefana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny tom­ponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Mia­dana Fabien Privat, momba […]

Tolo-dalàna momba ny fifidianana : manantena ny parlemanta ny vondrona Panorama

Naneho ny heviny manoloana ny hiatrehana ny fifidianana ny eo anivon’ny vondrona Panorama. Anisan’izany ny tokony hijerena ny lalàm-pifidianana. «Ho anay, tsy fifidianana aloha no mahamaika fa ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ka eken’ny rehetra? Samy mieritreritra avokoa ireo anivon’ny parlemanta, izay mpanao politika avokoa», hoy ny mpandrindra […]

Herisetra !

Tsy sasatra isika ny mamerimberina fa mirongatra izaitsizy ny herisetra amin’ny endriny samihafa. Tsy mifidy ny lasibatra, samy mizaka ny mafy na lahy na vavy. Nirongatra tato ho ato ny lehilahy namono tena noho ny fivadihan’ny rasa. Maro ny vehivavy mahasahy manohitra ny vadiny. Mahasahy mihantsy ny vadiny. Betsaka ny […]

Profesora Rasamoelina Henri: « Vahaolana amin’ny krizy ny fialana amin’ny fomba mahazatra »

« Tsy zava-baovao ny krizy sosialy sy toekarena lalovan’i Madagasikara », hoy ny mpampianatra mpikaroka Rasamoelina Henri. Nambarany fa mila miala amin’ny fomba nentim-paharazana isika raha te handroso. Gazety Taratra (*) : Pro­fesora, ahoana ny fahitanao ny toe-java-misy ankapobeny, miseho eto Madaga­sikara, ankehitriny ? Profesora Rasamoelina Henri (-) : Izaho aloha tsy gaga amin’ny fandehan-javatra […]

Botry rendrika : avotra ireo tantsambo 18 tao anatiny

Tafaverina soa aman-tsara an-tanety, omaly, ireo tantsambo 18 rendrika an-dranomasina tany amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles, ny 25 avrily 2023. Sambo Seyche­lois Saya de Malha no nanavotra azy ireo ka nafindra tamin’ny patrouilleur côtier MALAKY. Rendrika an-dranomasina tany amin’iny faritra iny ny botry nitondra ireto tantsambo ireto ka navotan’ny sambo mpiambina ny […]