Mois : avril 2023

Judo : « Dingana no vita fa tsy io no tanjona », hoy R. Laura

Mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny taranja Judo ho an’ny sokajy -70 kg, ilay vehivavy atleta malagasy, Rasoanaivo Laura. Nisy ny resadresaka nataon’ny gazety Taratra taminy, omaly. Dinidinika. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny nandraisanao izany laharana voalohany maneran-tany izany ? Laura (-): Faly satria nahazoana vokatra ny ezaka […]

Avy nitifitra tompon-trano : dahalo iray maty voatifitry ny polisy

Tokantrano iray niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao Soahevana, fokontany Soafandry, kaominina ambanivohitr’Anjoma, distrikan’i Manandriana, afakomaly maraina. Nanohitra ireo mpanafika anefa ny tompon-trano ka norarafan’izy ireo ny tifitra variraraka, maty tsy tra-drano. Nitsoaka ireo dahalo ka tsy nahazo na inona na inona tao amin’ity trano notafihina ity. Nanao fanarahan-dia […]

Betongolo : maharitra iray volana ny fitsarana miaramila

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Kianja Betongolo, ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny taona 2023, tanterahin’ny Fita­le­avan’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Na­nokatra izany ny sekretera je­neralin’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena, ny Jly Ra­masy Razafindratovo Heritiana niaraka tamin’ireo mpiara-mi­asa aminy. Nanka­sitraka ny fahatongavan’ireo tanora maro teny an-toerana izy, izay […]

Dic Meva Tsaralalàna : mifanampy sy mifanentana ny mpivarotena

Misy tetikasa « Nouveau modèle de financement 3 » (NMF), ny ady amin’ny VIH/ Sida eny anivon’ny mpivarotena. Miasa eto Antananarivo Renivohitra izy ireo ary ma­nana “Drop in center” (Dic) Meva ao Tsaralalàna. Toerana ahafahana mifanakalo hevitra sy mifampitaiza ary ahazoana fizaham-pahasalamana ny Dic satria misy mpitsabo ao. Ma­nana mpiara-miasa mpanentana ara-pahasalamana […]

Fandriampahalemana: nikaondoha ireo minisitra misahana ny fandriampahalemana

Miara-mientana hatrany ny mpitandro filaminana (Tafika, zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena) amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra, indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pifidianana izao… Nivory teny amin’ny mi­nisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena, afakomaly, ireo minisitra telo eo anivon’ny governemanta misahana ny fiarovana sy ny fandriampahalemana, nahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rako­toarijaona Josoa, ny mi­nisitry ny Filaminam-bahoaka, […]