Iza izy ? Ben’ny Tanànan’i Talatamaty, Raharinoasy Elie Dominic. 41 taona ary manambady sy zanaka iray. Anisan’ny ankafiziny ny sakafo malagasy. Mpikatroka Judo fony fahakeliny ary tia ny basikety sy volley-ball. Mpanamory fiarakodia amin’ny Run. Mankafy ny gadon-kira malagasy sy vahiny. Nianatra momba ny “Transit et douane”, taorian’ny nahazoana ny […]
Mois : avril 2023
Fiainan’antoko : miasa sy manentana ny Tim
Manetsika ny eny ifotony ny Tim sady manentana. Anisan’izany ny eny anivon’ireo fokontany any Fianarantsoa. “Mitohy ny fanentanana hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Manana 20 andro hanamarinana ny anarany sy ny mombamomba azy eny anivon’ny fokontany kosa ireo efa nahavitra izany”, hoy ireo mpitarika. Efa nanao ny azy ary mbola mitohy […]
Sosialim-bahoaka sy fifidianana; raikitra ny fidinana ifotony, fakan- kevitry ny FFKM
Tsy an-kiandriandry fa arahina asa. Efa niroso amin’ny fidinana ifotony ho amin’ny fakan-kevitra ny eo anivon’ny FFKM, ankehitriny. Niainga amin’ny efa nambaran’ireo filoham-piangonana taorian’ny fikaonandoha nokarakaraina teny Ilafy, ny faran’ny volana marsa teo, izao ary efa fanohizana izany avy hatrany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa efa voarindra sy voalamina avokoa miainga any […]
Ceni : Maro ireo tsy manana karapanondro
“Ny lafiny karapanondrom-pirenena no olana vokatry ny fihaonana tamin’ny rantsamangaika ety”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tany Manakara, omaly. Tena mbola maro ny olona tsy manana karapanondro. Misy manana laharana fa tsy manana karapanondro. Mila hatao izay fomba hananan’ireny olona ireny karapanondro hahazoany mandray anjara amin’ny fifidianana. Mila […]
Antoko HVM : “Mihemotra be ny demokrasiantsika”
“Tsy ny fanehoan-kevitra no anaovana fihibohana. Mampirisika ny rehetra handa an’izany izahay, satria mihemotra be ny demokrasiantsika”, hoy ny mpandrindra nasioanalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly, manoloana ny fepetra tsy fahazoana manao famoriam-bahaoka ankalamanjana. Aminy, anjaran’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana ny mijery izay olona mihoa-pefy, fa tsy fandraisana fepetra ho […]




