Mois : avril 2023

Ikongo : EPP efatra nahazo efitrano fianarana

Nahazo efitranon-tsekoly misy trano fianarana efatra ny EPP Antavolo, EPP Amboan­gisay, EPP Vohitsivalana ary ny EPP Ambohimaragna ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Ikongo. Nanaovana ny lanonana fandraisana ny fotodrafitrasa ny EPP Anta­volo ary tonga nitokana izany ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, niaraka tamin’ ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ny Organi­sation internationale du […]

Hetsika « AmbondronA araBé »: harindra ny fifamoivoizan’ ny fiara eo Analakely

Hotanterahina ny alahady izao, eo amin’ny Parvis Analakely, ny fampisehoana maimaimpoana «Ambon­dronA araBé», tanterahin’ny tarika AmbondronA, izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nihiran’ny tarika. Nametraka lamina manokana ny kaominina An­tananarivo Renivohitra handrindrana ny fifamoivoizan’ny fiara eny an-toerana. Tapaka ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra, araka izany, ny Araben’ny Faha­leovantena, […]

Management au projet innovant -Iscam : fampiofanana ampitain-davitra ho an’ny mpiasa

Namolavola fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana «Master II» ho an’ireo olona efa manana ny diplaoma «Licence» ny sekoly ambony Iscam nanomboka ny taona 2022. Maharitra herintaona ny fiofanana momba ny fitantanana, fomba itondrana ny orinasa na koa fanokafana fihariana vaovao (Management au projet innovant-Mapi)… «Na­tokana ho an’ny olona efa manana traikefa […]

Tazomoka : distrika 5 hamendrahana odimoka

«Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka : milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasà». Lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, ny 25 avrily ho avy izao. Nanazava ny teknisianina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ramandimbiarijaona Herizo, fa hiompana amin’ny famendrahana odimoka amin’ireo distrika 5 mbola ahitana ny […]

Cua – Fanatsarana ny tsena: halamina ny toby fiantsonana Imerin­tsia­tosika sy ny tsenan’ny tantsaha

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’i Soamanatombo sy Voninkazo Anosy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Nolazainy tamin’izany fa hasiana lamina manokana ny toby fiantsonana Imerintsiatosika sy ny tsenan’ny tantsaha eny an-toerana. Nijery ny zava-nisy teny amin’ny tsenan’ny Vo­ninkazo Anosy sy ny tsenan’i Soamanatombo ny ben’ny Tanànan’Antananari­vo Renivohitra, Andriantsi­tohaina Naina, […]