Manao ranolava ny tifitra sy ny fanaovana fahirano ny olon-dratsy ataon’ny mpitandro filaminana tato ho ato. Miezaka ny manadio sy mitady ny fomba rehetra hifehezana ny toe-javatra tsy manjary na ny polisy na ny zandary, eny fa hatramin’ny miaramila any ambanivohitra rehetra any. Betsaka ny jiolahy tsy tafavoaka velona mandritra […]
Mois : avril 2023
Fanafihana mitam-basy: jiolahy efatra voatifitra, adjidàn’ny Tafika ny iray
Maty voatifitra ny miaramila iray, voalaza fa mpamatsy basy sy ny jiolahy telo saika hanafika mpandraharaha, omaly. Tratran’ny polisy mpitsongo-dia izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Maty voatifitry ny polisy ny Adjidà am-perinasa iray, miasa amin’ny vondron-tafiky ny Tafondro mavesatra na ny R3A, eny Ambalamanasa, Toamasina, omaly. Voalaza fa mpiray tendro […]
Halatra omby : dahalo maty voatifitra
Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny dahalo iray anisan’ireo nandray anjara tamin’ny halatra omby tao Ambaiboho, fokontany Ambatomikatraka, kaominina Anjoman’Akona, afakomaly. Nangalatra omby miisa 12 tao amin’io tanàna io izy sy ny namany. Nanara-dia ny fokonolona ka maty voatifitr’ireo dahalo ny telo. Nanao fanadihadiana ny zandary. Lehilahy iray tsy lavitra ny tanàna […]
Marovoay : lehilahy nahatrarana rongony 2 gony
Noraisim-potsiny teo am-pidorohana rongony ny lehilahy iray anatin’ny tanàna Maroala, kaominina Antanimasaka, distrikan’i Marovoay, ny 11 avrily teo. Sendra nanao fisafoana ny zandary kinanjo nahita azy tsy nihafahafa nidoroka zava-mahadomelina. Nosavaina, arak’izany, ny trano fonenan’io lehilahy io. Tratra tao ny rongony roa gony mahatratra 28 kg. Nentin’ny zandary nogiazana ireto […]
Andriamena – Betsiboka : lavon’ny bala i Bota, dahalo mpaka an-keriny
Maty voatifitry ny zandary i Bota Gène, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Andriamena, anatin’ny faritra Betsiboka, ny 9 avrily teo. Nandray anjara tamina tranga fakana an-keriny tsy latsaky ny telo ity dahalo ity. Anisan’izany ny tranga tao Manakana Vohimbohitra, ny septambra 2022. Naka ireo olona telo mianaka tamin’io fotoana […]




