Mandeha ny fotoana… Aiza ho aiza ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, ny pretra Andrianjava Serge: “Tokony harindra ny fiaraha-miasan’ny Ceni sy ny FFKM ary ireo mpanara-maso fifidianana.” “Amin’ny fifidianana, misy ny mpifanandrina : ny kandidà sy ny antoko politika manohana azy. Misy […]
Mois : avril 2023
Fitendrena, famoronan-kira: nodimandry Andriantsoavina Rémi
Rehefa nivahiny 98 taona teto an-tany. Nodimandry ny talata 11 avrily teo Andriantsoavina Rémi. Iray amin’ireo andrarezin’ny zavakanto malagasy indrindra fa teo amin’ny fitendrena orga sy famoronan-kira. Nanomboka nitendry orga izy ny taona 1953 (70 taona lasa). Raha ny tantara, ny zokiny nantsoina hoe Robert Andriantsoavina rahateo no nampiasa ny […]
Tantara an-tsary : maro ny mpanatalenta amin’ny fanaovana sary
Tontosa teny amin’ny Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar (CRAAM), eny Ankatso, ny alarobia 12 avrily 2023, ny hetsika momba ny tantara an-tsary. Hetsika nokarakarain’ny ADMC-CRAAM sy ny Oniversiten’Antananarivo, nanasan’izy ireo an’i Rolling Pen sy CatMouse, manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny famoronana sy fanatontosana tantara an-tsary. […]
Hatsikana : nahazo tombony manokana ny “Stand up”
Hetsika “Stand up” roa samy nanana ny maha izy azy no tontosa ny alarobia 12 avrily 2023. Nisy ny tao amin’ny Kolejy Masina Misely Amparibe, ny maraina. Teo ihany koa ny teny amin’ny Kinga Mahamasina, ny tolakandro. Samy “Stand up” avokoa no naseho tao anatin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny […]
« Rindran-kira ho anao » : mpanakanto maro hifarimbona ao amin’ny CCEsca
Tarika sy mpanakanto maro no hifandimby hiaka-tsehatra. Ao ny tanora fa tsy vitsy ihany koa ireo zoky itoeran’ny traikefa. Ny iraisana, samy manasongadina ny hasin’ny teny sy ny soatoavina malagasy izy ireo ka hitondra izany mandritra ny « Rindran-kira ho anao ». Tarika sy mpanakanto mahatratra 20 eo ho eo no indray […]




