Noleran-drangahy antsy, novonoiny ho faty ary naleviny tao an-tokontany ny vadiny, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, Toamasina II, ny alahady tolakandro teo. Tonga nijery io anabaviny io tany an-trano ny anadahiny saingy mihidy hatrany izany. Nanatona ny biraon’ny fokontany misy ny anabaviny hanontany vaovao ilay lehilahy. Nampandre ny mpitandro filaminana taorian’izay […]
Mois : avril 2023
Simba tanteraka !
Firenena manana ny maha izy azy i Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy ny fananana fahendrena sy fifanajana. Indrisy anefa fa zary fomba amam-panao ny mifanebaka sy mamoaka ny tsiambaratelom-panjakana. Tsy ampoizina fa hatrany amin’ny heverina ho olobe sy olo-manankaja ambony, lohan’ny firenena, no mahita faisana. Taiza teto ambonin’ny tany no […]
Famoahana tsiambaratelo: mifamotika ny zandary !
Zava-doza no miseho eo anivon’ny zandarimariam-pirenena! Tsy voahaja intsony ny fiarovana ny tsiambaratelo. Nijabaka hatramin’ny sekreteram-panjakana, ny Jly Gellé Serge! Tandrevaka sa fanahy iniana? Nisy namoaka tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny horonampeo nifampiresahan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Serge Gellé. Horonampeo mirakitra […]
Behenjy : mpangarom-paosy nahatrarana finday halatra
Noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ny roa lahy mpangarom-paosy tao an-tsenan’i Behenjy, afakomaly. Teo am-panatontosana ny asa ratsiny, narahan’ny mpitandro filaminana maso ny fihetsik’ireto jiolahy roa ireto. Nikasa hangarom-paosy, nanantonan’ny zandary avy hatrany izy ireo ka tsy afa-nandositra. Natao ny fisavana ny kitapo kely teny aminy ka nahitana telefaonina […]
Varotra héroïne : tambajotran-jiolahy naiditra am-ponja eny Tsiafahy
Ankoatra ireo Maorisiana enina efa any Tsiafahy, nidoboka am-ponja ny 28 marsa teo, ao Antalaha koa ireo Malagasy dimy voasaringotra tamin’ny raharaha héroïne tany Vohémar. Taorian’ny nahatrarana ireo Maorisiana nitondra sambo haingam-pandeha tao Vohémar, noraisin’ ny mpitandro filaminana an-tanana ny raharaha. « Maorisiana enina nidoboka avy hatrany any Tsiafahy ny faran’ny […]




