Niezaka nanatsara hatrany ny mpikarakara ny NBJF hatramin’izay fito taona nisiany izay. Hiavakakely ny hetsika amin’ity taona ity, ankoatra ny fiovan’ny toerana hanaovana azy. Na eo aza anefa izany, tsy miova ny tanjona sy ny laza hatramin’izay. Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 10 avrily 2023, ny “Nosy […]
Mois : avril 2023
Loholona Ramanambitana R. : “Tsy misy ambonin’ny lalàna”
“Amin’ny ankapobeny, malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Misy ny fanambaran’ny minisitry ny Atitany, tamin’ny herinandro lasa teo, izay karazana lalàna mifehy ny famoriam-bahoaka. Araka ny fomba fijerin’ny eto anivon’ny Antenimierandoholona, lalàna ireny. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna”, hoy ny loholona Ramanambitana Richard, omaly, ny amin’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany fa tsy azo atao […]
Minisitry ny Serasera : “Tsy foana ny fahazoana mamory vahoaka”
“Tsy foana ny fahafahana maneho hevitra politika. Manamafy aza ny ny minisiteran’ny Atitany sy ny governemanta fa mahazo alalana avokoa ny olon-drehetra manao fanehoan-kevitra politika. Eo koa ny fahazoana manao famoriana olona amin’ny politika.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, omaly, manoloana ny adihevitra […]
Mahavimbina Alain : “Ilaina ny diniky ny samy Malagasy”
Miantso ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ny lehiben’ny faritra Atsinanana teo aloha sady filohan’ny antoko Gasikara antsika rehetra (Gar), i Mahavimbina Alain, manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireo depiote, araka ny fanazavany. Tsy tanteraka ny dingana hahazoana manao latsa-bato amin’izany. Nisy ny baikon’ny fahefana mpanatanteraka hoan’ny fahefana mpanao lalàna. Taorian’izay, nanohy […]
Fiainana antoko : nivory naka bahana amin’ny fifidianana ny TGV
Nivory nikaton-trano teny Ivandry ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny antoko TGV, afakomaly. Nivoitra tamin’izany fa tafiditra amin’ny fanomanana sy ny hiatrehana ny fifidianana ny dinika. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba io fivoriana io ny sasany amin’ireo mpivory. “Tsy misy resaka ady tombontsoa sy vola ho anay depiote ny fihaonana. Mazava […]




