Mois : avril 2023

Minisitra Lalatiana Andriantongarivo : “Afangaron’ny sasany ny resaka momba ny asa an-gazety”

Tsy mitovy ary samihafa ny asa fanaovan-gazety sy ny maha mpanao gazety. Ni­tondra fanazavana, manoloana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny minisitra La­latiana Andriantongarivo Ra­kotondrazafy, omaly, tetsy Anosy. Nambarany fa betsaka ny raharaha momba ny mpanao gazety tato ho ato. Samihafa anefa izany satria tsy momba ny asa fanaovan-gazety, araka ny […]

Fifidianana sy fanarenana ny firenena : mitaky ny fikaonandohan’ny hery rehetra ny G5

Namondrona ny heriny ka nanao fanambarana ireo vovonana politika mivondrona eo ani­von’ny G5. Ahitana ny avy amin’ny RMDM, Hiffim, HPM, VTHM, Panorama izy ireo. Nambaran’ireto mpanao politika ireto fa masi-mandidy sy tompon’ny fahefana eto amin’ny firenena, araka ny rafitra repoblikanina sy demokratika ny vahoaka. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy maintsy […]

Nilatsaka ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany: “Tsy maintsy anaty efitrano avokoa ny hetsika politika”

Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, omaly, tao amin’ny TVM fa mandala ny demokrasia sy malalaka amin’ny fanehoan-kevitra, amin’ny sehatra rehetra isika. Na izany aza anefa, nilatsaka ny fepetra noraisin’ny fanjakana nanomboka, omaly. “Omena malalaka ireo mpanao politika amin’ny famoriam-bahoaka sy hetsika politika tiany hatao rehetra. Tsy […]

Herisetra… politika

Milaza miara-mahita sy miara-miaina? Mihamafy sy mihasarotra hatrany ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa; ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, indrindra ny vidim-bary; ny tsy fisian’ny asa azo antoka sy mahavelona ho an’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora… Manginy fotsiny ny ady tany mampisaritaka an-toerana, ny […]