Mois : avril 2023

Kitra: lasa mpanazatran’ny Club M Maurice, Rasoanaivo Fidy

Notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA) hitondra ny ekipam-pireneny (Club M) Rasoanaivo Fidy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy teknisianina malagasy hanazatra ekipam-pirenena vahiny. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy Malagasy hitondra ekipam-pirenena vahiny. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, nivoaka omaly zoma, notendren’ny […]

Fitakiana vatsim-pianarana : vao nikasa hanao fitakiana dia nilamina

Ny alakamisy teo, nikononkonona fitokonana ireo mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Na­melatra sora-baventy sy efa nitangorona nifanentana ireo mpianatra tao an-toerana. Vao hitan’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny fitantanana ny oniversiten’ i Toamasina anefa izany dia nitady vahaolana izy ireo. Nifampiresaka hain­gana ny teo anivon’ny fitantanam-bola sy ny fampitaovana nitady vahaolana […]

Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana: manampy ny Fnuap amin’ny fiahiana ny vehivavy marefo i Etazonia

Mifarimbona ny  tahirim-bolan’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNF PA) eto Madagasikara ùiaraka amin’ny tohana ataon’i Etazonia amin’ny fanampiana ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo sy Atsi­mo Atsinananan’i Madagasi­kara. Miatrika haintany sy rivodoza ireo vehivavy ireo ary marefo amin’ny lafiny maro. Hisitraka fanampiana ho fisorohana sy fanohanana ny fa­nararaotana ara-nofo […]

Fizarana kopia faobe-CUA : natomboka amin’ny boriborintany roa

Taorian’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra sy ny Organisation internationale de la Fran­cophonie (OIF), ny volana desambra lasa teo, nisy ny tetikasa ezaka fizarana kopia faobe maimaim-poana ho an’ny ankizy 1 volana hatramin’ny 17 taona eny anivon’ny fokontany. Kopia 12 000 no tanjona hozaraina amin’izany eny anivon’ny boriborintany enina. […]

Tamin’ny fonja efatra nohadihadiana: 15% amin’ny vehivavy voafonja nanambara fa te ho faty

Mila karakaraina ny fahasalamana ara-tsain’ny vahoaka sy ny voafonja amin’ny ankapobeny ary ny Humanité £ inclusion no anisany misahana izany.Araka ny fanadihadiana natao ny 2000 ary navoaka ny taona 2003, nilaza ny 47% amin’ny olona nohadihadiana teto Antananarivo fa nisehoana fikorontanana ara-tsaina. Nanomboka niasa te­ny anivon’ny fonja malagasy ny Huma­nité […]