Tontosaina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny hetsika “Scène Slam”, fanaon’ny IFM miaraka amin’ny fikambanana Madagaslam, isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra mandritra ity seho ity. Misy kosa ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana anjara hisian’ny firindrana mandritra ny fampisehoana. […]
Mois : avril 2023
60 taona niangaliana ny bagasy : hizara ny traikefany amin’ny tendry gitara i Kolibera
Andrarezin’ny tendry gitara. Azo fehezina amin’izay raha hiresaka ny momba an’i Kolibera. Feno 60 taona mantsy izao no nifehezany izany tendry gitara bagasy izany. Mbola manohy hatrany izy, kanefa tsy mitsahatra ny mizara ny traikefany ihany koa. Tafiditra anatin’izay fampitana talenta izay ny atrikasa bagasy, izay hotarihiny rahampitso, etsy amin’ny […]
Hatsikana : mitohy ny hetsiky ny Komedy Club
Tontosaina anio eny amin’ ny Kinga Mahamasina, ny seho an-tsehatra hatsikana “Désactivé”, “Two men show”. Ny Komedy Club no mikarakara ny fampisehoana ary Orima Sarobidy sy Falitianakely no hiray sehatra ao anatin’izany. Ny karazana hatsikana “Stand up” no haseho mandritra ny fampisehoana. Natao ho an’ny rehetra sy sahaza ny rehetra […]
Fanehoana voka-pikarohana : nahavita ny « Valiha tory roapolo » i JoanValiha57
Nitombo iray indray ny voka-pikarohana momba ny valiha. Tsy najanon’i JoanValiha57 teo amin’ny tory folo ny valiha fa novelariny tamin’ny tory roapolo. Milaza ny heviny sy mampahafantatra ity zava-baovao ity izy… Fikarohana tao anatin’ny taona maro ! «Tendry Valiha tory roapolo indray no fikarohana vitako. JoanValiha57 ny anarana nosafidiko hilalao […]
“Raharaha La Gazette de la grande Ile” : namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpanao gazety
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), momba ny nanatanterahan’ny Jirama didim-pitsarana nanagiazana ny fananan’ny La gazette de la grande Ile (LGDGI) ny 30 marsa teo. Anton’izany ny trosa tsy voaloan’io orinasan-gazety io. Nivoitra tamin’izany fa miantraika amin’ny mpanao gazety ny tsy fisian’ny fehezan-dalàna mamaritra ny fetra […]




