Mois : avril 2023

Rio Tinto QMM – FMFP : manome tosika ny tanora any amin’ny faritra Anosy

Nisitraka atrikasa fanatsarana ny fahaiza- manaony ireo tanora any amin’ny faritra Anosy, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny indostria, asa maitso, toekarena manga ary nomerika ny fampiofa­nana. Tetikasa niarahana ta­min’ny mpiara-miombon’ antoka Rio Tinto QMM (QIT Madagascar Minerals) sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle). Nahazo vahana sy nomena lanja […]

Fahasalamana : mbola mamely amin’ny faritra maro ny tazomoka

Notanterahina tany amin’ ny faritra Melaky, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka ho an’i Mada­gasikara. “Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka, milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasa” no lohahevitra novoizina nandritra ny fanamari­hana. Raha ny antontanisa na­voakan’ny minisiteran’ny Fahasalamana dia 543.994 ny trangana tazomoka tao anatin’ ny dimy […]

Fifaninanana tononkalo : mpianatry ny CEG 3 nahazo mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ireo mpianatra 3 avy amin’ny CEG eto Antananarivo. Solon­tena avy amin’ny CEG etsy Analamahitsy, Antanimena ary Avaradoha izy ireo. Voa­fantina tamin’ny fifaninanana tononkalo manentana ny olona mba hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fikajiana ny rano sy ny fahadiovana. Tonga nanolotra izany teny an-toerana […]

Cisco Avaradrano : hotanterahina ny 2 mey ny CEPE andrana voalohany

Eo am-piomanana amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny tomponandraikitry ny fanabeazana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tanterahina ao anatin’ny roa volana fahadimy ny andrana ho an’ny fanadinam-panjakana roa. Telo ny CEPE andrana karakarain’ny Cisco Avaradrano amin’ity taona ity mialoha ny hiatre­hana ny fanadinam-panjakana CEPE, ny 20 jona ho […]

Fiofanana nomen’ny ANS sy CUA: 37 notolorana mari-pankasitrahana

Notanterahina, omaly, teny Ampefiloha, ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo 37 mianadahy, andiany « Sandra­tra », niofana nandritra ny 4 andro, ny 17-20 avrily lasa teo. Nisahana ny fiofanana ny Académie National des Sports (ANS). Anisan’ny nahafahana nanatontosa ny hetsika kosa ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA). Novoizina tamin’ity andiany fahadimy ity ny lohahevitra « Animateurs […]