Tontosaina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka ny 18 avrily hatramin’ny 2 jona ho avy izao, ny varotra fampirantiana ataon-dRafidinarivo Hagoharidzery Hery, fantatra amin’ny anarana R. Dzery eo amin’ny maha mpahay kanto. « Kanto ho an’i Neny » no lohahevitra sy lohatenin’ity hetsika ity. Manodidina ny 40 ny hosodoko harantin’i R. Dzery, ao […]
Mois : avril 2023
Kitra – “Jeux de la Francophonie” : 30 ireo mpilalao handrafitra ny Barea
Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “ Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao any Kinshasa, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, fantatra fa miisa 30 mirahalahy ireo mpilalao handrafitra ny Barea U20. Araka ny fanazavan-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra […]
« 2 corns »: seho hanampiana ireo farahidiny
“Lehilahy iray no maty novonoina satria tratra nangalatra katsaka roa tany Ambositra…”. Io vaovao notaterin’ny “Malagasy news”, ny 24 febroary, io no niteraka fanehoan-kevitra maro tamin’izany… Tsy vahaolana amin’ny hanoanana ny halatra, kanefa vidin’ny aina ny katsaka roa? Noho izay fahatsapana ny fitontongan’ny fiainan’ireo mpiara-monina farahidiny izay no nampifanatona ireo […]
Handball – “IHF Trophy 2023”: nafindra i Madagasikara sy i Seychelles
Tsy horaisin’i Madagasikara ny “IHF Trophy”, ho an’ny faritra fahenina, taranja handball. Tsy misy afa-tsy ny Akio sy i Seychelles ihany mantsy no hany mandray anjara. Araka izany, notapahan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny IHF fa hafindra any amin’ny faritra fahenina izy ireo no mifaninana. Noho ny tsy fahampian’ny firenena mandray anjara […]
Minisitra Yvette Sylla : nandray ambasadaoro roa
Nandray ambasadaoro roa ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, afakomaly, tetsy Anosy. Teo ny masoivohon’i Italia, Paolo Cuculi. Hiasa eto amintsika fa hipetraka atsy Afrika Atsimo. Efa nisahana andraikitra teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny italianina ny tenany nialoha ny nanendrena azy ho ambasadaoro aty Pretoria, ny taona 2019. Voaresaka teo amin’ny […]




