Tsy nipetra-potsiny. Nanao fanambarana teny amin’ny foiben-toerany eny Ankerana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anton’izany ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Atitany, mandrara ny fivoriana sy hetsika politika ankalamanjana, ankoatra ny hetsika politika karakarain’ny fanjakana. Eo koa ny nanakanan’ny sefo distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasain’ny MMM hatao, ny zoma teo, […]
Mois : avril 2023
Depiote Rakotomanga Lanto : “Depiote 109 no manohana ny filohan’ny Repoblika”
Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe momba ireo depiote ny solombavambahoaka IRD, Rakotomanga Lanto. Nambarany fa mbola ao anatin’ny heriny izy ireo amin’izao fotoana izao. «Amin’ny fidirana amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny volana mey, mbola mahatratra 109 izahay depiote manohana ny filohan’ny Repoblika», hoy ny depiote IRD, voafidy tao Antananarivo II, […]
Antananarivo Renivohitra : maro ny lalana ho tapaka manomboka rahampitso
Ho tapaka manomboka rahampitso ny ampahan-dalana maro eto amin’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Fiatombohany, tokanana rahampitso ny Foundation H etsy Ambatomena. Ho tapaka, noho izany, ny lalana Refotana, miainga eo amin’ny Urbania hatreo amin’ny Pharamacia Analakely, rahampitso manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Tsy azo aleha intsony koa ny lalana eo amin’ny […]
Valala e ! Valala e !
Mirongatra izaitsizy. Tena mampihorona hodi-doha ny fisian’ny andiam-balala manerana ny tapany atsimon’ny Nosy iny. Manomboka mandripaka tsikelikely ny fambolena ny valalamena. Mitaraina ny tantsaha satria anatin’ny fotoanan’ny fararano izao ny faritra maro. Manahy amin’ny ho fiantraikany ratsy amin’ny fiotazam-bokatra ny mponina. Ny vary sy ny tongolo ary ny voamaina isan-karazany, […]
Vono olona sy halatra 10 tapitrisa Ar : anisan’ireo nohenoin’ny fitsarana ny vadin’ilay ramatoa
Mbola mitana ny sain’ny maro ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka, fokontany Anjeva Gara, ny herinandro teo. Anisan’ireo niakatra fampanoavana, omaly, ny vadiny niaraka tamin’ireo lehilahy fito hafa sy vehivavy iray… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo olona voarohirohy tamin’ ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nitranga teny Amboalefoka, fokontany Anjeva […]




