Mois : avril 2023

Jean Nirina Rafanomezantsoa : tsy voafehy ny fampiasana “facebook”

«Mila andraisana fepetra manokana ireo minia manalabaraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera «facebook», indrindra izao ankatoky ny fifidianana izao», hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Ni­rina Rafanomezantsoa, nandritra ny tafa nifanavaony tamin’ny mpanao gazety, afa­komaly. Hanaratsiana anaran’ olona sy hilazana zavatra tsy marina anatin’io tambajotra io ka lasa raisin’ ny olona ho […]

Fahavitan’ny “Ramadan”… : niahy ireo sahirana ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya

Noho ny fahavitan’ny “Ramadan”, nanampy ireo fianakaviana sahirana eto an-drenivohitra ny fikambanana Miozolimanina Ahmadiyya… Toy ny fanao isan-taona, mandritra ny volana Ramadan, mi­fady hanina sy mifady fisotroana ihany koa ny fikambanana Miozolimanina Ah­madiyya mba hahatanteraka ny fifalian’Andriamanitra, araka ny efa voalazan’ny Mpaminany Masina Mo­ham­mad. “Rehefa mifady hanina dia noana sy […]

Antsirabe : nodinihina ny fahasalaman’ny reny

Tanterahina ao Antsirabe, nanomboka ny alatsinainy hifarana ny sabotsy izao, ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny manodidina izany, eny anivon’ireo tobim- pahasalamana manerana ny Nosy. Efa nametraka ny fomba fiasa AIM na ny firaisankina ho fametrahana ny fihavaozana eo amin’ny fahasalaman’ny reny. Mifampiankina amin’ny fiantohana ara-pahasalamana manaraka […]

Dr Mahafaky Justin: “Anjakan’ny tazomoka ny faritra Atsimo Atsinanana”

Mahery vaika ny aretina vokatry ny tazomoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nilaza ny governora any an-toerana fa ilaina fandraisana an-tanana maharitra eo amin’ny fanjakana ny hiadiana amin’izany. Mahatratra 543 994 ny trangana tazomoka ho an’i Madagasika­ra ary 68 no maty vokatr’izany, raha ny tatitra navoakan’ny OMS […]

rafitra ara-tsakafo : lalana ho an’ny fahavitan-tena

Hanomezana sakafo ara-pahasahalamana sy takatry ny rehetra, maharitra ary mamaha ny olan’ny hanoanana. Ireo no dinika napetraka ho fanaingana sy hirosoana amin’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara. Natao tetsy amin’ny mi­nisteran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly. Araka izany, nisy ny fanadihadiana natao niaraka tamin’ireo mpi­ara-miombon’ antoka amin’ity sehatra ity. […]