Mois : avril 2023

Fitrandrahana fasimainty : tsy miantraika amin’ny mponina ny rano ampiasain’ny Base Toliara

Efa nanazava mikasika ny fiantraikan’ny rano ataon’ny tetikasa Base Toliara any Ranobe Toliara, Rakotondrai­nibe Harivelo, ny teknisian’ ny rano, ny taona 2022. Nam­barany fa tsy miantraika amin’ ny loharano manodidina ny faritra itrandrahan’ity orinasa ity izany amin’ny habetsahana sy ny kalitao. Manamafy iza­ny ny teknisian’ny rano, Ra­zafintsalama Rolland Pas­cal Edouard, […]

Paositra Malagasy : nahazo fampitaovana avy amin’ny UPU

Kamio mahazaka hatra­min’ny 10t miisa efatra, moto 25 ary Bajaj miisa 10. Ireo no fampitaovana azon’ny paositra malagasy, omaly, avy amin’ ny “Union postale universelle” (UPU), mba hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ny Nosy. “Mariky ny fanatsarana sy porofo ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena momban’ny asa ataon’ny paositra malagasy […]

« Paysage durable dans L’Est »: hampirisihina ny voly maharitra sy mampidi-bola

Miantraika betsaka eo amin’ny fambolena ny fahasimban’ny tontolo iainana. Iatrehana izany, misy ny tetikasa « Paysage durable dans l’Est » hanentanana ny tantsaha hamokatra sy hanarenana indray ny nofontany sy hanatsarana ny velontenan’izy ireo. Fampirisihana ny tantsaha hanao voly mampidi-bola sy hatao sakafo izay hanampy amin’ny fanatsarana ny nofontany. Ireo […]

Faritra Atsimo Atsinanana: voaporofo fa zaza 4 matin’ny mosary

Nitondra fanazavana ny sekretera mpanatanteraka ao amin’ny BNGRC, Elack Olivier, omaly, tetsy Anosy, fa voaporofo izao fa ankizy sy zaza 4 matin’ny hanoanana tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, tao Manakara, tanànan’i Vohitrindry. Araka ny fanadihadiana ifotony nataon’izy ireo tany an-toerana no nahafantarana izany. Tetsy andaniny, nanamafy ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka izay […]

Taom-pianarana 2023-2024 : hamokatra boky fizarana mamaky teny ho an’ny T1-T2-T3

Hamokatra boky fizarana mamaky teny ho an’ny kilasy T1-T2sy T3 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, araka ny fanambaran’ ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophil, afakomaly, teny Antanimena. Taorian’ny fa­nombanana ny boky hoenti-mampianatra eny amin’ny EPP sy ny CEG, nivoitra fa boky mitarika hanovo fahaizana no mila vokarin’ny […]