Mois : avril 2023

Titra iray, trano iray (OTOH) : ampirisihana hanorina trano ny Malagasy

Nitondra fanazavana, omaly, ny sekretera jeneralin’ ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Ravoavino­ro­soa Léa, mikasika ilay tetikasa “Titra iray, trano iray”. Nambarany fa fandaharanasa ho fanomezana trano fonenana ho an’ny Malagasy rehetra ny OTOH (One title, one housing). Fampirisihana ny olona hanorina trano sy hanana tany ho azy tenany. Mijery […]

Tetikasa -Poesam: hahatratra 25 000 euros ny loka voalohany

Efa nisokatra ny 13 marsa lasa teo ny fisoratana anarana ho an’ireo liana handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix orange de l’entrepreneur social” aty Afrika sy Moyen Orient (Poesam), andiany faha-13. Fananganana tetikasa mikirakira ny teknolojia vaovao sady mitondra fampandrosoana ho an’ny fiarahamonina no tanjona ka anisany manana mpifaninana i Mada­gasikara. […]

Fiatrehana ny haintany sy ny rivodoza: hampitovy fomba fiasa ireo misehatra amin’ny fiahiana sosialy

Tena ilain’ny mponina aorian’ny rivodoza rehefa fotoam-pahavaratra sy ny fotoanan’ny haintany sy maitsoahitra ny karazana tohana sosialy. Hivoaka, araka izany, ny torolalana iraisan’ireo mpiantsehatra sosialy, hitovian’ny asa tanterahina eny ifotony. Notanterahina, omaly, teny Anosy, ny atrikasa fakan-kevitra, hankatoavana ny torolalana amin’ ny fomba fiasa mitovy iraisan’ ireo mpisehatra amin’ny fiahiana […]

Depiote Andriamanjato Bina: “Mitaky olo-marina sy hendry ny fitantanana eto amintsika”

Iza izy ? Depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Andra­masina, Andriamanjato Lian­tsoa Bina. 46 taona ary mbola mpitovo, tsy manambady. Anisan’ny sakafo tiany ny trondro. Fialamboly ankafi­ziny ny mitsangantsangana. Mpankafy baolina kitra sy ny basikety. Tia ny gadon-kira malefaka ary anisan’ny ankafiziny ilay hira “Akaiky mpamonjy”. Mpihira tiany ny tarika Mahaleo sy […]

Fanamarinana lisi-pifidianana: nanentana ny teny Alasora Ravalo

Nihazo ny teny Ambato­malaza, Alasora ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana. Niara-nifarimbona tamin’ny mponina eny an-toeranao izy nanamarina ny anaran’ny olom-pirenena ao anaty lisi-pifidianana. “Mankasi­traka ny sefo fokontany sy ianareo tonga maro nifarimbona nanamarina ny anaran’ ny tsirairay tao anaty lisi-pifidianana”, hoy izy. Nentaniny ny isan-tokantrano mba hanatona ny biraon’ny fokontany […]