Mangingina…hafahafa !

Mangingina toa mifono toe-javatra hafahafa ny raharaha politika eto amin’ny firenena, ankehitriny. Iaraha-mahalala anefa fa mihenjana sy mamaivay izany any ambadika rehetra any. Ampahany ihany no hita sy voizin’ny sasany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Efa samy miketriketrika ny fomba rehetra hampiodinana ny lamasininy avokoa ny mpisehatra politika. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, izay tsy mihanona fotsiny amin’ny asa efa vita. Mihazakazaka ny fanenjehana ireo velirano. Maro ny vita, saingy betsaka ny mbola miandry.
Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana, ao anatin’izao enim-bolana farany mialoha ny fifidianana izao. Miara-mirona ny minisitera isan’ambaratongany. Mifanome tanana ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Miezaka ny mandravona ny disadisa anatiny ireo afaka manao izany. Raha ny fantatra, anatin’ny miady mafy, ahatsapan’ny vahoaka ny fitiavany tanindrazana ny Filoham-pirenena. Porofon’izany ny fitetezam-paritra ataony, manerana ny lafivalon’ny Nosy.
Tsy sanatrian-dresaka, lany atao ny filoha, Rajoelina Andry, fa tafiditra any anatin’ny kajikajim-politikany sy ny paikadiny. Tanjony ny ahafahan’ny vahoaka malagasy hisitraka mivantana ny tombontsoa. Iarahan’ny rehetra mahalala ny ezaka vitany tao anatin’ny dimy taona nitondrany. Anisan’ny vaindohan-draharahany rahateo ny fampiroboroboana ny sehatra mifanentana amin’ny filan’ny mponina any ifotony.
Tsy misy ny tonga lafatra, tsy misy ny mahafa-po saingy raha ny fantatra, mifofotra amin’ny fitadiavana ny tombontsoan’ny besinimaro ny Filoha am-perinasa. Ny indrokely anefa, tsy azo hodiana tsy hita ny fisian’ny sasany, manao volo mpanoha-randrana. Tsy ilaozan’izay fandoto iray tandroka anatin’ny fitondrana sy ny olona manodidina azy. Maro amin’ny mpiara-mitantana aminy no malailay fonosana. Betsaka no manao ranon’Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
Tsy mahagaga raha maro amin’ny olona niara-nitolona no nifindra lasy. Ekena fa misy ireo tsy mahazaka ny mena miraviravy sy baikoin’ny tombontsoa manokany ka mitsipa-doha laka-nitàna. Mila fandinihana lalina avy amin’ny Filoham-pirenena sy izay olom-bitsy itokisany anefa izany. Tsy mbola tara ny famerenana am-bala ny namana. Vanimpotoana izao ahitana izay sakaiza mahatoky sy tsy mpamadika.
Mila fiaraha-mientan’ny rehetra ny fampandrosoana ny firenena. Mainka lehibe, noho izany, anefa ny fifanomezan-tanan’ireo izay mitovy tadin-dokanga ! Na izany na tsy izany, ilana fahamalinana sy fahamailoana hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena , ankehitriny

r.r

Partager sur: