Mois : mai 2023

Natahotra ho tratra… : natsipin’ireo roa lahy ny gony 14 feno rongony

Lehilahy roa tsikaritry ny fokonolona nametraka ireto gony feno rongony ireto. Nampandre ny polisy izy ireo ary eo am-pikarohana ireo tompon’entana. Miparitaka manerana ny toerana maro eto amin’ny Nosy ny zava-mahadomelina. Nisy lehilahy roa, tsy fanta-piaviana, nitondra gony 14 feno zavatra tao amin’ny fokontany Ambalakatsaka, kaominina Ihosy, afakomaly. Tsikaritry ny […]

Trosan’ny orinasa Jirama : hampindram-bola ny fanjakana malagasy

Hindram-bola amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana manokana na “bon de trésors spéciaux” (BTS), ny orinasa Jirama. “Atao izao mba hanajan’ity orinasa ity ny fifanarahana arak’asa ataony miaraka amin’ny Henri Fraise Fils et Cie (HFF) sy handoavany ireo trosany”, araka ny nankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra izany fanapahan-kevitra izany, ny alarobia […]

Banky foiben’i Madagasikara : hanonta 50 Ariary volamena

Homarihina ny volana jona izao ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madaga­sikara (BFM). Hankalazana izany, tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hanonta vola volamena 50 Ar ny banky. “Fom­ba amam-panao mahazatra eo amin’ny banky foibe sy vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara […]

Madagasikara-Pakistan : misarika ny mpampiasa vola ny Antenimierandoholona

Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny ambasadaoro vaovaon’i Pakistan, Muhammad Arshad Jan, ny alarobia 17 mey teo. Niompana tamin’ny fa­namafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Pa­kistan sy i Madagasikara ny fihaonana, ary koa ny eo amin’ny Antenimierandoho­lona malagasy sy pakistaney. Maro ny seha-pihariana noresahana, ka anisan’izany ny lafiny fambolena sy […]