Manjavozavo sy mbola tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Ny resa-pifidianana sy ny Tetezamita no malaza saingy tsy hita soritra izay fanapahan-kevitra marina. Ny zava-misy sy hita taratra, mipoipoitra daholo indray aloha ny mpanao politika zokinjokiny na ny « Dinaozoro ». Miseho masoandro ny antoko politika, efa natory. […]
Mois : mai 2023
Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy
Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana nodorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina […]
Nariany ny vady aman-janany : lehilahy nikasa hanorina fiainam-baovao tamina vola halatra
Fahasahiana tsotr’izao! Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray sy ny sakaizany, 19 taona, izay voarohirohy tamina halatra volabe saika hanorenana fiainam-baovao. Araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ankazomiriotra, nasaina hanatitra vola 7 200 000Ar any Betsoa, distrikan’i Mandoto, ity lehilahy ity sy ny namany iray. Nandeha moto izy ireo ka […]
Ambohimandroso : jiolahy roa lahy lavon’ny bala
Fanafihana tsy tontosa, maty voatifitry ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Tsaratanimbary, kaominina Ambohimandroso, distrikan’ Antanifotsy, ny alahady 14 avrily teo. Naharay loharanom-baovao mahakasika ny asa ratsin’ireo ny zandary ao an-toerana ka nanao ny vela-pandrika niaraka tamin’ny fokonolona. Voasambotra izy roa lahy, nikasa hanohitra. Vokany, raikitra ny fitifirana ka voatifitra ireo […]
Herisetra ara-nofo : naiditra am-ponja ireo roa lahy nanolana “4’mis”
Nalefa eny am-ponja ireo roa lahy nanolana an’i Tolotra kely sy ny zokiny, taorian’ny fampanoavana afakomaly. Voasaringotra tamin’ny fanararaotana ara-nofo nihatra tamin’i Tolotra sy ny zokiny ireo voapanga ireo. “Mbola tsy ampy taona avokoa ireto voarohirohy ireto ka antony nandefasan’ny fitsarana azy ireo eny anivon’ny fonja ho an’ny zaza tsy […]




