Mois : mai 2023

Karate-Andrianavomanana Solofo : “Fanapahankevitr’olon-tokana ny nataon’ny MJS”

Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eo amin’ny taranja karate amin’izao fotoana, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14, omaly, teny Ivandry. Nanatanteraka fivoriambe ara-potoana (ordinaire) sy extraordinaire, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika Malagasy, omaly, Andrianavomanana Solofo Barijaona sy ireo ligy 14 miara-dia aminy. Nandritra izany no nanehoany ny […]

FJKM Ambodihady Vaovao : 25 taona ny Sekoly Alahady

Hosokafana ny sabotsy 20 mey izao, ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao Ambo­hi­manarina, ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily Volafotsy (faha-25 tao­na) ny sampana Sekoly Ala­hady, synodamparitany Anta­nanarivo Andrefana. Teny faneva hoentina mankalaza izany ny “Ary izay taranakao ny hanangana ny efa rava ela…” (Isa 58, 12a). Mandritra ny taona ny […]

« Festival de Cannes » : hisy Malagasy dimy mpanatontosa sarimihetsika

Voafantina hiatrika ny “Festival de Cannes 2023” ny horonantsarimihetsika miisa enina avy amin’ny fikambanana Cinemalagasy. Malagasy dimy, iray avy any Cameroun. Horonantsarimi­hetsika niavaka nandritra ny hetsika Madagacourt Film Festival izy ireo. Ny 20 hatramin’ny 27 mey 2023 no hiatrika ny “festival de Cannes 2023” ireto mpanatontosa enina ireto. Andiany faha-76, […]

“The Voice Africa” : tsara toerana i Rinah Arifenitra

Misongadina hatrany ny Malagasy! Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, nahitana teratany malagasy nandray anjara avokoa ireo fifaninanan-kira iraisam-pirenena malaza. Anisan’ireo efa misongadina sahady ao anatin’ny “The Voice Africa 2023” i Ri­nah Arifenitra, tovovavy mpanakanto hametrahan’ny mpiray tanindrazana aminy ny fitokisana rehetra amin’ity fifaninanana ity. Tsy ny Ma­lagasy irery, fa ireo […]

Dr. Andriamahenina Fabrice: « Very ny soatoavina… Mila iainana ny maha Gasitsara »

Misy madisadisa ny isan-tokantrano. Marary ny fiarahamonina malagasy. Nambaran’ny Dr. Andriamahenina Fabrice, mpandinika fiainan’ny fiarahamonina fa « anisan’ny nahatonga izany ny fahaverezan’ny soatoavina fototra ». Dinika nifanaovana taminy… Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha mpandinika ny fiarahamonina anao, inona no nahatonga ny fiarahamonina malagasy tsy afaka disadisa ? Dr. Andriamahenina […]